Zoma 16 novambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'ny Fahendrena
Tena toetra adala ny an'ny olona rehetra tsy nahalala an'Andriamanitra, ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an'Ilay Misy ho azy, ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an'Ilay Mpanao azy. Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika, ny fanilon'ny lanitra, ny faribolan'ny kintana, ny rano mirimorimo, no nataony ho andriamanitra mitondra izao rehetra izao. Raha renoky ny hatsaran-tarehin'ireo izy ka nanao ny zava-boaary ho andriamanitra, dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo, fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an'ireny. Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagany, aoka ho fantany amin'izany ny halehiben'ny fahefan'izay nanao an'ireny. Satria ny fahamboniana sy ny hatsaran-tarehin'ny zava-boaary, dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahafan'izy roa tonta.
Ny lazan'ny Tompo ambaran'ny lanitra. Ny asany kosa torìn'ny habakabaka, ny andro milaza amin'ny andro manaraka, ny alina indray mitantara amin'ny alina.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany, tsy feo mba manako horenesin'ny sofina: kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony; miely tsy tana ny hafatra entiny.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 17, 26-37Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Toy ny niseho tamin'ny andron'i Nôe no hiseho koa amin'ny andron'ny Zanak'Olona: nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan'ny andro nidiran'i Nôe tao amin'ny sambo fiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra. Ary koa tahaka ny tamin'ny andron'i Lôta: nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano; fa tamin'ny andro nivoahan'i Lôta tao Sôdôma kosa, nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'Olona.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.
Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.
Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.