Talata 13 novambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Ho tonga eo anoloanao anie ny fivavahako; manongilàna sofina amin'ny antsoko, ry Tompo!
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mba esory lavitra anay izay rehetra manampontsampona anay, ka rahefa afa-doza ny fanahy amam-batanay dia ho afaka manatontosa an-tsakany sy an-davany ny adidy rehetra aminao izahay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Fahendrena
Noarìn'Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona, ary nataony mitovy tarehy amin'ny tenany; fa ny fialonan'ny demony no nidiran'ny fahafatesana amin'izao tontolo izao, dia hanandrana izany ry zareo izay azy. Eo an-tanan'Andriamanitra ny fanahin'ny marina, ka tsy mahatratra azy ny fijaliana. Hoatra ny maty izy, araka ny fiheveran'ny adala azy, ary hoatra ny loza ny fialany amin'izao fiainana izao, ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika; kanjo ao anatin'ny fiadanana izy. Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason'ny olombelona, ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty. Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana, dia handray valisoa lehibe izy: fa efa nozahan'Andriamanitra toetra izy, ka hitany ho mendrika Azy. Notsapainy toy ny volamena atao anaty memy izy, ka nankasitrahany, toy ny sorona dorana lavorary. Amin'ny andro hamalian-tsoa azy, hamirapiratra izy ireo; tahaka ny kilalaon'afo hivoivoy haingana amin'ny bozaka. Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy; ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo. Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina; hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy, satria ho an'ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.
Izaho misaotra ny Tompo amin'ny fotoan-drehetra; eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy. Ny Tompo hafinaretan'ny fanahiko; mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ny mason'ny Tompo amin'ny olo-marina; ny sofiny amin'ny tolokon'ireo. Ny tavan'ny Tompo amin'ny mpanao ratsy, mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon'ny Tompo: ny ahiahiny rehetra esoriny aminy. Ny Tompo eo anilan'ny torotoro fo, sy mamonjy ny rera-tsaina.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 17, 7-10Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôliny nanao hoe: “Iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha no mba hilaza aminy hoe: 'Metia faingana, ary mipetraha hihinana?' Moa tsy izao aza no holazainy aminy: 'Amboary ny sakafoko, ary misikina hampihinana ahy mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro, fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?' Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy, satria nanao izay nasainy nataony io? Ataoko fa tsy izany. Koa tahaka izany koa ianareo: rahefa vitanareo izay nandidiana anareo, dia lazao hoe: 'Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.'”
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, topazo maso miantra ireto fanatitra ireto fa ankalazanay ny nijalian'ny Zanakao; ka fo feno fitiavana anie no handraisanay ny hasina avy aminy.
Ny Tompo no Mpiandry ahy: tsy misy mahaory ahy; ampiraotiny amin'ny vilo-maitso aho, entiny amin'ny rano manala sasatra.
Velom-pisaorana Anao izahay, ry Tompo, fa nofahananao tamin'ny fanomezana masina, koa mihanta aminao; enga anie hirotsaka aminay ny Fanahinao ary hahitsy fo hatrany izahay fa efa nandray ny hery avy any an-danitra.