Alatsinainy 29 oktobra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, tsy mpitrosa amin'ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin'ny Fanahy ny asan'ny nofo, dia ho velona ianareo; satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra. Ary izany tokoa, satria tsy Fanahim-panandevozana no noraisinareo, ka hatahotra indray ianareo, fa Fanahim-pananganan-janaka, ka iantsoantsika hoe: Abà! Ray! Ary ny tenan'io Fanahy io ihany no vavolombelona miaraka amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. Ary raha zanaka dia mpandova, eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy, raha miara-mijaly aminy anefa isika, mba hiara-komem-boninahitra aminy koa.
Vao mitsangana Andriamanitra, dia mihahaka ny fahavalony; mandositra eo anoloany ny mpankahala. Ny olo-marina kosa, manoloana an'Andriamanitra, mifaly, miravo sy mirobiroby. Izy Ilay Rain'ny kamboty, mpanome rariny ny mpananotena, Andriamanitra ao amin'ny toerany masina, mampitoetra an-trano ny tokan-tena, mamoaka ny babo voagadra. Isaorana ny Tompo isan'andro isan'andro: ilay Andriamanitra Mpamonjy nitrotro antsika, Andriamanitra mahavonjy, Andriamanitsika; Tompo mahala amin'ny fahafatesana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 13, 10-17Tamin'izany andro izany, i Jesoa nampianatra tao amin'ny sinagôga anankiray indray Sabata, ka nisy vehivavy anankiray teo azon'ny demony hatramin'ny valo ambin'ny folo taona, ka efa nataony saozanina sy nanjoko tsy afa-nitraka mihitsy. Nony nahita azy i Jesoa dia niantso azy ka nanao taminy hoe: “Ravehivavy, afaka ny aretinao.” Dia nametrahany tanana izy, ka nitraka niaraka tamin'izay, sy nankalaza an'Andriamanitra. Fa sosotra ny lehiben'ny sinagôga noho i Jesoa nanasitrana tamin'ny andro Sabata, ka niloa-bava tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Henemana no andro azo iasana ka tongava hositranina amin'ireo ianareo, fa aza amin'ny andro Sabata.” Fa hoy ny navalin'ny Tompo azy: “Ry mpihatsaravelatsihy, moa tsy samy mamaha ny ombiny na ny ampondrany hiala amin'ny tranony avy ianareo, ka mitondra azy hisotro rano na dia Sabata aza ny andro? Ary itý zanakavavin'i Abrahama izay efa nafatotr'i Satana hatramin'ny valo ambin'ny folo taona itý ve tsy tokony hovahana amin'izany fatorana izany amin'ny andro Sabata?” Tamin'izy niteny izany, izay rehetra nanohitra Azy dia nangaihay foana, fa ny vahoaka rehetra kosa nifaly noho ny zavatra malaza rehetra nataony.
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.
Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.