Alarobia 24 oktobra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, aoka ny fahotana tsy hanjaka amin'ny tenanareo mety maty amin'ny fanarahana ny filan-dratsiny ary aoka ny rantsam-batanareo tsy hatolotrareo ho an'ny fahotana hataony fiasana fanaovan-dratsy fa atolory an'Andriamanitra ny tenanareo, izay maty no velona indray, sy ny rantsam-batanareo hataony fiasana fanaovam-pahamarinana. Fa tsy hanan-kery aminareo ny fahotana, satria ianareo tsy ambanin'ny Lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana. Ahoana àry: hanota va isika, satria tsy ao ambanin'ny Lalàna, fa ao ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany! Tsy fantatrareo va fa na iza na iza anoloranareo tena ho mpanompo mba hanaiky azy, dia mpanompon'izay ekenareo ianareo, na ny fahotana ho amin'ny fahafatesana izany, na ny fanekena ho amin'ny fahamarinana? Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo; ary rahefa afaka tamin'ny fahotana ianareo, dia tonga mpanompon'ny fahamarinana.
Raha tsy ny Tompo no nomba antsika, lazao re, ry Israely! raha tsy ny Tompo no nomba antsika, tamin'ilay niantsampazan'ireny, dia ho nateliny velona isika, fa nirehitra loatra ny havinirany.
Ho nadifotry ny rano isika; ho nosaforan'ny riaka ny fanahintsika! Eny, ny fanahintsika ho nosaforan'ny rano misamboaravoara! Isaorana ny Tompo tsy nahafoy horotehin'ny vangin'ireny!
Toy ny fody afa-pandrika harato isika: rovitra ny harato ka afaka isika! Ny Fitahiana antsika dia ny Anaran'ny Tompo, Ilay nanao ny Lanitra sy ny tany!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 12, 39-48Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny Apôstôliny nanao hoe: “Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian'ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna. Koa mivonòna koa ianareo, fa ho avy amin'izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak'Olona.” Dia hoy i Piera taminy: “Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an'ny olona rehetra koa?” Ary hoy ny Tompo: “Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: 'Ela vao ho avy ny tompoko', ka amin'izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny sy amin'ny ora tsy fantany ny tompon'izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin'ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitrapon'ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa.”
Fankalazana ny Eokaristia
Vavaka Fanolorana
Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.