Alarobia 17 oktobra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr'i Israely!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Tsy azo alàn-tsiny ianao, ry olona, na zovy na zovy ianao no mitsara, dia tsy manan-kalahatra ianao, fa amin'ny fitsaranao ny hafa, dia manameloka ny tenanao koa ianao, satria toy ny ataon'ny hafa ihany koa no ataonao mitsara. Fantatsika anefa fa marina ny fitsaran'Andriamanitra an'izay manao toy izany; ka moa ataonao va, ry olona, fa ianao mitsara ny manao izany, nefa manao koa, dia ho afa-mandositra ny fitsaran'Andriamanitra? Sa, saingy be famindram-po ny fandeferana amam-piaretana Izy ka dia tsy ahoanao? Tsy fantatrao va fa ny hatsaram-pon'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka? Fahatezeran'Andriamanitra anie no angonin'ny ditranao sy ny fonao tsy mibebaka ho anao, amin'ny andron'ny fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin'Andriamanitra e! dia Ilay hamaly ny olona rehetra araka ny asany avy: fiainana mandrakizay moa ho an'izay maharitra manao ny tsara ka mitady ny haja amam-boninahitra sy ny tsy fahafatesana; fa fahatezerana amam-pahavinirana kosa ho an'izay fatra-pikiry sy tsy manaiky ny marina, fa mpanaraka ny ratsy.
Ao amin'Andriamanitra no iadanan'ny fanahiko. Avy aminy tokoa no nahazoako fanavotana, ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko, sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana. Mijoro tsy hihontsona aho fa Izy re no rovako.
Ianao, ry fanahiko, katsaho ny fiadanana, ao amin'Andriamanitra izay antenaiko fatratra, ary Izy irery ihany moa no tena vatolampiko. Sady Izy irery ihany koa no tena fanavotana, mijoro tsy hihontsona aho; fa Izy re no rovako.
Aminy ametrahana ny toky, ry vahoakany, dia Izy no ilazao ny ahiahy fa itokisana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 11, 42-46Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe: “Loza ho anareo, ry Farisianina, satria ny fahafolon'ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo, ary ny rariny sy ny fitiavana an'Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory; nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa. Loza ho anareo, ry Farisianina, fa tia ny toerana voalohany ao amin'ny sinagôga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo. Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin'ny olona fa tsy fantany.” Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe: “Ry Mpampianatra ô, raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao.” Fa hoy i Jesoa: “Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna, fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo, nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an'izany akory.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.
Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Anao.