Asabotsy 06 oktobra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Barôka
Matokia, ry oloko, fahatsiarovana an'i Israely ô! Ny nivarotana anareo tamin'ny firenena, tsy mba ny haringana; fa ianareo nihantsy ny fahatezeran'Andriamanitra, no nanolorana anareo ho an-tanan'ny mpampahory. Satria nampahatezitra an'Ilay nanao anareo ianareo, tamin'ny nanoloranareo sorona tamin'ny demony, fa tsy tamin'Andriamanitra. Nanadino an'Ilay namelona anareo ianareo, dia Andriamanitra mandrakizay, ary nampalahelo an'ilay nitaiza anareo, dia i Jerosalema; fa hitany miantefa aminareo ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nilaza izy hoe: “Mihainoa, ianareo mifanolo-bodirindrina amin'i Siôna, fa nanirahan'Andriamanitra fisaonana lehibe aho. Hitako ny fahababoan'ny zanako lahy aman-janako vavy; sy izay nampiharin'Ilay mandrakizay tamin'izy ireo. Tamin-kafaliana no nitaizako azy ireo, fa tamin-dranomaso amam-pisaonana kosa no namelako azy handeha. Aza dia misy mifaly e, saingy mahita ahy mpitondra-tena sy nilaozan'ny maro be! Efa lao aho noho ny fahotan'ireo zanako, satria izy ireo nivily nandao ny lalàn'Andriamanitra.
Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an'Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra; ny babo tsy hainy hamavoina. Hidera Azy anie ny tany sy ny lanitra, ny ranomasina sy izay mihelotrelotra ao!
Fa Andriamanitra hamonjy an'i Siôna sy hanangana ny tanànan'i Jodà: ka hisy mponina indray ao, izay hivolon-tompony tokoa! Ny taranaky ny mpanompony no handova; izay tia ny Anarany no honina ao!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 17-24Tamin'izany andro izany, dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe: “Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho. Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka mbamin'ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny. Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo, fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.