Alakamisy 04 oktobra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Nehemia
Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin'ny tanànany avy ny zanak'i Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin'ny kianja anoloan'ny vavahadin'ny Rano. Ary efa nilazan'izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny Bokin'ny lalàn'i Môizy, izay nandidian'ny Tompo an'i Israely. Ka nentin'i Esdrasa mpisorona ny lalàna, ho eo anatrehan'ny fiangonana, dia ny lehilahy sy vehivavy mbamin'izay rehetra manan-tsaina hahafantatra azy; andro voalohan'ny volana fahafito tamin'izay. Novakìny teo anatrehan'ny lehilahy sy vehivavy mbamin'izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny Boky, teo amin'ny kianja anoloan'ny vavahadin'ny Rano, hatramin'ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny Bokin'ny lalàna avokoa ny vahoaka. Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna. Dia nosokafan'i Esdrasa teo imason'ny vahoaka rehetra ny Boky, fa tafasondrotra ambonin'ny vahoaka rehetra izy, ary rahefa nosokafany, dia nitsangana ny vahoaka rehetra. Nisaotra ny Tompo Andriamanitra lehibe i Esdrasa, dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe: “Amen! Amen!” Sady niondrika sy niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny Tompo izy ireo. Ka samy nijanona teo amin'ny fitoerany ny olona.
Ny lalàn'ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy. Ny didin'ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy, mahafaly ny fo. Ny baikon'ny Tompo mazava, manilo ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio, maharitra mandrakizay. Ny fitsaran'ny Tompo fahamarinana, samy rariny avokoa.
Mahatehaniry noho ny volamena, sy ny avosam-bolamena madio; mamy noho ny tantely, sy ny toho-tantely mitsonika.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 1-12Tamin'izany andro izany, dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay halehany. Ary hoy Izy tamin'izy ireo: “Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin'ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo afovoan'ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. Amin'izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: 'Fiadanana anie ho amin'itý trano itý'; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin'izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: 'Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.' Fa amin'izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: 'Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin'ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.' Lazaiko aminareo fa amin'izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin'i Sôdôma noho ny ho amin'izany tanàna izany.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.