Talata 02 oktobra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Zakaria Mpaminany
Izao no tenin'ny Tompo Nahary: Ho hita mirohotra indray ireo firenena sy ny mponina avy amin'ny tanàn-dehibe maro. Dia hifanatona ny olona samihafa fiaviana, hifampilaza hoe: “Andao re isika hifona amin'ny Tompo hitady azy Tompo Nahary. Fa izaho koa handeha ho any!” Eny, vahoaka maro sy firenena matanjaka no ho avy ao Jerosalema, hitady ny Tompon'ny hery rehetra, sy hifona eo anatrehany.
Ry Siôna, ry Siôna ô, eny an-tendrombohitra masina no naorin'ny Tompo ianao, Ilay Tompo tsy mahafoy anao. Ny fonenan'i Jakôba: maromaro ihany izy ireny fa ianao no andrian'ny fony, tiany mihoatra ny sisa rehetra.
I Rahaba sy Babela: mahafantatra ahy izy ireo, ary i Tira sy i Filistia, ary i Etiôpia sy ny hafa. Izao no ambara momba ireo: Izy, hono, teraka tao! I Siôna tsy tahaka izany: Ny rehetra no teraka tao!
Ny Avo indrindra, ry Siôna, manamafy orina anao! Hosoratany anatin'ny boky ny Vahoaka fa: teraka tao. Ny andriana eran-tany, toy ny Zanakao tsisy hafa! Izy ireo samy faly milaza: fa Ianao loharano niaviany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 51-56Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalàna an'i Jesoa eto amin'izao tontolo izao, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy ka nandefa iraka nialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin'ny tanàna anankiray tany amin'ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: “Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan'ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?” Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: “Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak'Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.” Dia nankany amin'ny vohitra hafa izy ireo.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.