Alahady 30 septambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
NY TOKY FITAKA, FA NY ATAO NO HITA
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindrafo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Izao no nolazain'ny Tompo: Ianao manao hoe: “Tsy marina ny lalan'ny Tompo!” Mihainoa àry, ry taranak'i Israely: Moa ny lalako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy? Raha miala amin'ny fahamarinany ny marina, ka manao ny tsy marina ary maty amin'izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany. Fa raha miala amin'ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin'ny ataony, dia hamelona ny fanahiny izy. Raha sokafany ny masony, ka miala amin'ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.
Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy; ampianaro ahy ny soritrao. Ny fahamarinanao itarihana ahy, Ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao izay efa hatramin'ny fahagola. Noho ny fitiavanao, ry Tompo, hadinoy ny otako fahazaza.
Tsara sy mahitsy ny Tompo: ny mpanota toroany lalana, ny ory entiny amin'ny marina, asehony azy ireo ny lalany.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany FiIipy
Ry kristianina havana, raha mba manana famporisihana ao amin'i Kristy koa ianareo, na manana fanalana alahelo amin'ny fitiavana ihany, raha misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika, ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo, dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin'ny firaisanareo saina, ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra, tsy hanao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana na filan-dera foana, fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy, samy tsy hihevitra ny azy ihany, fa ny an'ny namany koa. Manàna ny saina amam-po hita tao amin'i Kristy Jesoa,
dia izao: na dia tao amin'ny fomban'Andriamanitra aza Izy, dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin'Andriamanitra ho zavatra nobaboiny, fa nialàny izany tamin'Izy naka ny fomban'ny mpanompo, ka tonga mitovy amin'ny olombelona, sy hita ho olombelona tamin'ny fisehoany rehetra, ary nilatsa-tenany ho ambany, nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy, sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra, mba handohalika amin'ny Anaran'i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany, ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra, fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 21, 28-32Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny lohandohan'ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: “Ahoana no hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahy matoa izy ka nanao taminy hoe: 'Andeha, anaka, miasa any amin'ny tanimboaloboka anio'. Fa hoy izy: 'Tsy handeha aho'. Kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin'ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Hoy io: 'Handeha aho, tompoko'; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin'izy roa lahy no nanao ny sitra-pon'ny rainy?” Hoy ireo: “Ny lahy matoa”. Dia hoy i Jesoa taminy: “Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo, ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra; fa tonga teo aminareo tamin'ny lalan'ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy”.
Ry kristianina havana, aoka isika tsy hitsara izay hafa finoana amintsika, na ireo tsy maharaka ny ataontsika, satria lazain'i Jesoa aza fa mety hisongona antsika any amin'ny Fanjakan'ny lanitra ireny; koa mivavaha amim-pitokiana mba samy ho voavonjy isika sy ireo manodidina antsika.
Tompo ô, ilazanao izahay mba tsy hihevitra hoe tsara noho ny hafa; koa ampianaro handini-tena sy hitsara tena, ary omeo hery hanova ny toetranay ho araka ny finoanay.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie ity tolotra entinay ity sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izay no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, ity mistery avy any an-danitra ity; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitrao.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.