Alarobia 26 septambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Izaho no vonjin'ny vahoakako, hoy ny Tompo. Na inona na inona manjò azy ka hiantsoany Ahy, dia hihaino azy ireo Aho, ary Izaho ho Tompony mandrakizay.
Andriamanitra ô, ny fitiavana Anao sy ny fitiavana ny namana no nataonao fototry ny didinao masina; koa mba ataovy mitandrina ny lalànao izahay hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Esdrasa
Izaho Esdrasa, efa mby amin'ny fotoan'ny fanatitra hariva vao tafarina tamin'ny fahoriako; ary amin'ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra, dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako aho nankany amin'ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe: “Andriamanitro ô, safo-kenatra sy mangaihay loatra aho, tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro, fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay, ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay. Hatramin'ny andron'ny razanay ka mandraka androany, dia efa meloka loza erý izahay; ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin'ny mpanjakanay sy ny mpisoronay, ho eo an-tanan'ny mpanjaka hafa, ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin'izao anio izao. Nisy andro anefa nanehoan'ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay, dia navelany hisy sisa afaka izahay, ka nomeny fialofana eo amin'ny fitoerany masina, mba hanazavan'Andriamanitray ny masonay, sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin'ny fahandevozanay. Fa andevo izahay, nefa tsy nahafoy anay tao anatin'ny fahandevozanay ny Andriamanitray. Nitarika ireo mpanjakan'i Persa hanisy soa anay Izy, hamelombelona ny ainay, mba hanaovanay ny tranon'Andriamanitray, sy hamboaranay ny rava eo, dia hanomezany anay fonenana voafefy amin'i Jodà sy i Jerosalema.”
Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay, Ilay mandrakizay ny fanjakany! Fa mikapoka Izy ka mamindra fo, mampidina an-tSeoly ka mampiakatra! Ary tsy misy olona izay afaka amin'ny tanany!
Aharihario ny halehibiazany! Asandrato eo anoloan'ny miaina rehetra Izy! Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika, Raintsika amin'ny taona rehetra.
Raha miverina aminy amin'ny fo tontolo ianareo, sy manao ny marina eo anoloany amin'ny fanahy tontolo, dia hiverina aminareo koa Izy, sy tsy hanafin-tava aminareo intsony.
Jereo ny nataony anareo: ka mankalazà Azy amin'ny vava tontolo! Isaory ny Tompon'ny fahamarinana! Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy, maneho ny hery sy halehibiazany amin'itý firenena mpanota: «Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany: sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!»
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 9, 1-6Tamin'izany andro izany, i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin'ny folo lahy ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra sy hanasitrana ny aretina. Ary naniraka azy hitory ny fanjakan'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary. Dia hoy Izy taminy: “Aza mitondra na inona na inona any amin'izay halehanareo any, na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa. Ary na aiza na aiza trano hidiranareo, dia itoero mandra-pialanareo amin'izany tanàna izany. Ary raha misy mandà tsy handray anareo, dia mialà amin'izany tanàna izany, ka na ny vovoka amin'ny tongotrareo aza dia ahintsano ho fiampangana azy ireo.” Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra, ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, mba raiso ny tolotra ataonay vahoakanao; ka izay ankatoavinay amin'ny finoana anie mba ho azonay amin'ny Sakramenta.
Ianao ihany no namoaka ny didinao mba hitandremana azy fatratra, ka ahitsio izany diako; ka enga anie hahitsy ny lalako hitandremako ny fitsipikao.
Ry Tompo mora fo ô, enga anie izahay nomenao hery tamin'ny Sakramentanao mba hotoloranao fanampiana lalandava, ka ny Sakramenta sy ny toe-piainanay anie no hahazoanay ny fanavotana.