Alarobia 19 septambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak'i Israely mpanomponao sy vahoakanao.
Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin'ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin'ny famindram-ponao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'i Timôte
Ry malala, manoratra izany aminao aho, na dia manantena hankatý aminao faingana aza, satria amin'izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra, dia ny Eglizin'Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan'ny marina. Ary tsy azo lavina, fa lehibe tokoa ny mistery fototry ny fivavahana, dia ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy, niseho tamin'ny anjely, notorìna tamin'ny Jentily, ninoana tamin'izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.
Izaho midera ny Tompo amin'ny foko tontolo am-pivorian'ny olo-marina sy am-Piangonam-be! Lehibe ny asan'ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana no vitan'ny Tompo maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo.
Manome hanina ny matahotra Azy Izy, fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay. Naneho asa mahery tamin'ny vahoakany Izy, fa nanome azy ny lovan'ireo firenena.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 7, 31-35Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Hohariko amin'iza re ny olona amin'itý taranaka itý, ary tahaka an'iza izy? Tahaka ny ankizy mipetraka eny an-kianja izy, izay mifampilaza hoe: 'Nitsoka sodina izahay, fa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nitomany ianareo.' Fa tonga i Joany Batista tsy nihinana mofo na nisotro divay, lazainareo hoe: 'Azon'ny demony izy.' Tonga indray ny Zanak'Olona mihinana sy misotro, ataonareo hoe: 'Lehilahy tendan-kanina sy mpisotro io, sady sakaizan'ny poblikanina sy ny olon-dratsy fiaina.' Fa ny Fahendrena efa nohamarinin'ny zanany rehetra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon'ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.
Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak'olombelona hialoka ambany elatrao.
Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin'ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.