Alatsinainy 10 septambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.
Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôlôsy
Ry kristianina havana, ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin'ny nofoko izay tsy ampy amin'ny fahorian'i Kristy ho an'ny tenany, dia ny Eglizy; fa voatendry ho mpandraharaha azy aho noho ny nanomezan'Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin'Andriamanitra an-tsakany sy an-davany, dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin'ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin'ny olona masina, dia ireo tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin'ny jentily ny voninahitr'izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo. Izy no torìnay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavan'ny olon-drehetra ho lavorary ao amin'i Kristy Jesoa; ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy, araka ny heriny izay iasany fatratra ato amiko. Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin'ny ady iadiako ho anareo sy ho an'ny any Laôdisea mbamin'izay rehetra mbola tsy nahita maso ahy, mba hahafaka alahelo ny fon'izy ireo, sy hiraisany fatratra amin'ny fitiavana, ary hananany fieken-tsaina mazava tsara, ka hahalala ny hevi-miafin'Andriamanitra izy, dia i Kristy, izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.
Eny manko! ao amin'Andriamanitra mianina, ry fanahiko: fa Izy no tokiko! Eny manko! Izy no Vatolampiko sy Famonjena ahy, Fiarovana-avo ho ahy: tsy hihontsona aho!
Matokia Azy lalandava, ry vahoaka! Mamosaha fo anoloan'Andriamanitra tokintsika!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 6, 6-11Indray sabata hafa koa i Jesoa, dia niditra tao amin'ny sinagôga, ka nampianatra, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo. Tamin'izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin'ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy. Fa fantatr'i Jesoa kosa ny hevitr'izy ireo, ka hoy Izy tamin'ilay maty tanana: “Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.” Dia nitsangana ilay io ka nijoro, ary hoy i Jesoa tamin'izy ireo: “Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin'ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?” Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo ka hoy Izy tamin-dralehilahy: “Ahinjiro ny tananao.” Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany. Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko amin'izay hanaovany an'i Jesoa.
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.
Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!
Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.