Alahady 02 septambra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
NY FAHASAMBARANA NO TAMBIN'NY FIJALIANA
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay, ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Notarihinao aho, ry Tompo, ka voatarika. Nosamborinao aho, ka nahery Ianao. Zavatra fihomehezana aho isan'andro; maneso ahy avokoa ny olona rehetra. Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo, manambara loza sy fandringanana, ka ny tenin'ny Tompo tonga fandatsana sy fihomehezana ahy isan'andro. Hoy aho: “Tsy hilaza ny aminy intsony aho, tsy hiteny amin'ny Anarany intsony aho!...” dia nisy toy ny afo nirehitra ato am-poko, voahidy ao anatin'ny taolako; nanao izay hihazonana azy aho, nefa tsy nahatana azy.
Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro! Vao maraina aho maniry Anao; mangetaheta Anao ny fanahiko; matimaty Anao ny nofoko; toy ny tany maina sy mangentana, toy ny tany haraka, mila rano! Tao an-toerana masina no nahitako Anao; tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao: ka ny molotro nidera Anao, fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina! Eny, hisaotra aho raha mbola velona; ny Anaranao hanandratako tanana: ka ny fanahy ho heni-tsoa, ny molotra hihoby, ny vava hidera. Fa notsenainao ny vonjinao aho, ka mibitaka alofan'ny elatrao; ny fanahiko mifikitra aminao, ny tananao mihazona ahy.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, samia re manolotra ny tenanareo amin'Izy Tompo, ho sorona velona, masina, ankasitrahiny; fa izany no fanompoam-panahy mety hataonareo aminy. Ary aza manaraka an'izao tontolo izao, fa miovà amin'ny fanavaozan'ny Fanahy, mba hahafantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, izay sady soa sy ankasitrahiny no lavorary.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt.16, 21-27Tamin'izany andro izany, dia noborahin'i Jesoa tamin'ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian'ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny lohandohan'ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rehefa afaka hateloana. Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny Azy mafy hoe: “Sanatria, Tompo, raha hihatra aminao izany!” Fa nihodina Izy ka nilaza tamin'i Piera hoe: “Mialà amiko, ry Satana! Manafintohina Ahy ity ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr'Andriamanitra, fa araka ny an'ny olona”. Ary tamin'izay i Jesoa dia nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko no hahazo azy. Inona no soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Fa ny Zanak'olona dia ho avy amin'ny voninahitry ny Rainy miaraka amin'ny Anjeliny, ka amin'izay dia hamaly ny olona araka ny nataony Izy”.
Ry kristianina havana, i Jesoa dia nanaiky ho faty hamonjeny antsika, koa isika mpianany koa tokony ho vonona hahafoy ny aintsika hamonjena ny olona. Koa mivavaha ho an'izao tontolo izao izay novonjen'ny Tompo tamin'ny Hazofijaliany.
Tompo ô, lohalaharana Ianao nihazo ny lalana mankany amin'ny Kalvery, ary miantso ny olombelona rehetra hanaraka Anao; koa ataovy tsaroanay fa ao anatin'ny mangidy ny mamy, mba hahafantaranay sy hiaikenay fa izany lalana sarotra izany no hahatongavana amin'ny fahasambarana.
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'ity tolotra masina ity, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Tompo ô, akory ity haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao, ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.