Zoma 17 aogositra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jôsoe
Tamin'izany andro izany, novorîn'i Jôsoe ny fokon'i Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon'i Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan'ny Tompo izy ireo: dia hoy i Jôsoe tamin'ny vahoaka rehetra: “Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'i Israely: Taloha dia tany an-dafin'ny ony no nonenan'ny razanareo, Teraha rain'i Abrahama sy rain'i Nakôra, ary andriamani-kafa no notompoin'izy ireo. Nalaiko tany an-dafin'ny ony i Abrahama razanareo ary nentiko ho amin'ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an'i Isaaka izy. I Isaaka dia nomeko an'i Jakôba sy i Esao; ary i Esao nomeko ny tendrombohitra Seïra ho fananany, ary i Jakôba sy ny zanany nidina nankany Ejipta.
Isaory ny Tompo fa tsara! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Isaory ny Andriamanitry ny andriamanitra. Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Isaory ny Tompon'ny tompo! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nampizotra ny vahoakany tany an'efitra! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Ilay nikapoka Mpanjaka lehibe! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Sy nahafaty mpanjaka mahery! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ka nanome ny taniny ho lova! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Ho lovan'i Israely mpanompony! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Ilay nisarika antsika tamin'ny mpampahory Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 19, 3-12Tamin'izany andro izany, nisy Farisianina nanatona an'i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe: “Mahazo misao-bady va ny lehilahy na inona na inona antony?” Dia hoy Izy namaly azy ireo: “Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin'ny voalohany, dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe: 'Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny ka hikambana amin'ny vadiny izy, ary ho nofo iray ihany izy roroa?' Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray. Ka aoka izay nakamban'Andriamanitra tsy hosarahin'ny olona.” Fa hoy ireo taminy: “Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?” Dia hoy Izy taminy: “Ny hamafin'ny fonareo no nanomezan'i Môizy lalana anareo hisao-bady; fa hatramin'ny voalohany dia tsy mba toy izany. Koa dia lazaiko aminareo, fa izay rehetra mandroaka ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, ka manambady hafa, dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka, dia mpijangajanga koa.” Hoy ny mpianany taminy: “Raha izany no toetry ny lehilahy amin'ny vadiny, dia aleo tsy manambady.” Ary hoy Izy taminy: “Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany, fa izay nomena fahasoavana ihany. Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny; misy eonoka nataon'ny olona, ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka noho ny fanjakan'ny lanitra. Aoka handray izay mahay mandray.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.
Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.