Asabotsy 11 aogositra 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!
Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Deteronômy
Hoy i Môizy tamin'ny vahoakan'i Israely: “Mihainoa, ry Israely: Ny Tompo Andriamanitsika dia Izy ihany no Tompo. Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy amin'ny fanahinao rehetra. Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao. Alatsaho ao an-tsain'ny zanakao izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin'ny dia alehanao, na mandry ianao, na hiarina. Afehezo amin'ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonao. Soraty eo amin'ny tolam-baravaranao izy, sy eo amin'ny vavahadinao. Raha avy izay hahatafidiran'ny Tompo Andriamanitrao anao any amin'ny tany nianianany tamin'i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao, homena anao, tanàna sady soa no lehibe, tsy naorinao; trano feno zava-tsoa isan-karazany, tsy nofenoinao; dobo famorian-drano, tsy nolavahanao, voaloboka amam-pototr'ôliva, tsy nambolenao, dia hihinana sy hivoky ianao; ka tandremo fandrao manadino ny Tompo izay nampivoaka anao avy tany amin'ny tany Ejipta, tany amin'ny trano fanandevozana. Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy, ary aoka ny Anarany no hianiananao.”
Mamiko Ianao, ry Tompo izay heriko, Tompo vatolampiko, toera-mafy ho ahy, Andriamanitro mpanafaka sy haram-bato fialofana.
Ampinga sy tandro-pamonjena, fiarovana-avo ho ahy! Dera ho an'ny Tompo, hoy aho, fa voavonjy amin'ny fahavaloko aho!
Veloma anie ny Tompo! Hisaorana ny vatolampiko. Hasandratra ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy. Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakanay; anehoany hatsaram-po ny voahosony; dia i Davida sy ny taranany hatrany amin'ny mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 17, 14-19Tamin'izany andro izany, nisy lehilahy anankiray nanatona an'i Jesoa ka nandohalika teo anatrehany nanao hoe: “Tompo, mamindrà fo amin'ny zanako lahy; mararin'ny androbe izy ka mijaly mafy loatra, fa matetika mianjera any anaty afo, ary matetika koa any anaty rano. Nentiko tamin'ny mpianatrao izy, fa tsy nahasitrana azy izy ireo.” Ary namaly i Jesoa nanao hoe: “Ry taranaka tsy mino sy ratsy fanahy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? mandrapahoviana no handeferako aminareo? Ento atý amiko izy.” Dia norahonan'i Jesoa ny demony ka nivoaka, ary sitrana niaraka tamin'izay razazalahy. Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa mangingina ny mpianany ka nanao hoe: “Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?” Hoy i Jesoa taminy: “Noho ny tsy fahampian'ny finoanareo. Fa lazaiko marina aminareo, fa raha manam-pinoana hoatra ny voantsinapy anankiray aza ianareo, ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: 'Mifindrà erý ianareo', dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho azonareo atao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.
Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin'ny olona rehetra.
Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin'ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.