Alakamisy 02 aogositra 2035

Alakamisy Fahafito ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 67, 6-7. 36

Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Eks. 40, 16-21. 34-38

Boky Eksaody

« Ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana ary ny voninahitry ny Tompo nameno ny Fonenana. »

Tamin'izany andro izany, nataon'i Môizy izay rehetra nandidian'ny Tompo azy, dia vitany araka izany. Tamin'ny andro voalohan'ny volana voalohany amin'ny taona faharoa, dia voatsangana ny Fonenana. Natsangan'i Môizy ny Fonenana; naoriny ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin'ny barany, dia natsangany ny andriny. Novelariny ny lay teo ambonin'ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Môizy. Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin'ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin'ny fiara ny fanaovam-panavotana. Nentiny tao anatin'ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran'ny Vavolombelona, araka ny nandidian'ny Tompo an'i Moizy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 83, 3. 4. 5-6a. sy 8a. 11
Fiv.: Drey mahatehotia ny Fonenanao, ry Tompon'ny Tafika!

Ny fanahiko manembona ka reraka, manina ny Kianjan'ny Tompo! Ny foko sy nofoko mihoby an'ilay Andriamanitra velona!
Ny fody avy no mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany eo anilan'ny alitaranao, ry Tompon'ny Tafika, ry Mpanjaka sy Andriamanitro!
Sambatra izay monina ao an-tranonao, ka midera Anao mandrakizay! Sambatra ny olona izay omenao hery: mitombo ny hery, ka roso indray ny dia.
Eny, andro iray eo an-Kianjanao, dia tsara noho ny arivo ao an-tranon'ny tena! Aleo mijoro eo am-baravaran'ny Andriamanitro, toy izay miantrano ao an-dain'ny mpanana!

Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin'ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin'ny asany rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 13, 47-53
« Fantenany ny tsara hankao an-karona, fa ny ratsy kosa ariany. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny harato nalatsaka tany anaty ranomasina, ka nanangona izao karazan-kazandrano rehetra izao: rahefa feno izy, dia nosarihana ho eny amoron-drano, ka nipetraka ny olona nifantina ny tsara hataony an-karona fa ny ratsy kosa nariany. Dia ho tahaka izany koa raha mby amin'ny fahataperan'izao tontolo izao: hivoaka ny anjely hanavaka ny ratsy fanahy hisaraka amin'ny marina, ka hanipy azy any amin'ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Efa azonareo va izany?” Eny, hoy izy ireo taminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.

Kômonio Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.