Alatsinainy 30 jolay 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.
Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izay i Môizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra; nitondra teny an-tanany ny takelaka roan'ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin'ny lafiny roa; voasoratra tamin'ny lafiny iray sy tamin'ny lafiny iray koa. Asan-tanan'Andriamanitra ireo takelaka ireo, ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra voasokitra tamin'ny takelaka. Nony nandre ny tabataban'ny vahoaka nihorakoraka i Jôsoe dia nilaza tamin'i Môizy hoe: “Finanananàna toy ny any an'ady izany any amin'ny toby izany.” Fa hoy ny navalin'i Môizy: “Tsy mba feo fihobian'ny mpandresy na feo fibabababan'ny resy izany fa feon'olona mihira no reko.” Nony mby teo akakin'ny toby izy, dia nahita ny zanak'omby sy ny dihy, ka nirehitra ny hatezeran'i Môizy, nazerany ny takelaka teny an-tanany, sady novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra. Ary nalainy ilay zanak'omby nataon'izy ireo, nodorany tamin'ny afo, notorotoroiny hanjary vovony, ary nafafiny tao anaty rano ny vovony, ka nampisotroiny ny zanak'i Israely.
Tany Hôreba izy ireo nanao zanak'omby, niankohoka tamin-tsary anidina. Ilay voninahiny dia natakalony sarin'ombalahy homana ahitra.
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy Azy. Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta, zava-mahagaga tany an-tanin'i Kama, zava-mahatahotra teo an-dRiakan-Jozoro.
Dia nilaza handringana Izy, raha tsy i Môizy ilay voafidiny no nisosoka nitokona teo anoloany, mba hanoha ny havinirany tsy hahavoa.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 13, 31-35Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny voatsinapy izay nalain'ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny. Kely indrindra amin'ny voan-javatra rehetra izy; fa rahefa mitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin'ny rantsany.” Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra, dia mitovy amin'ny lalivay, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koban-dafarina intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny lalivay azy rehetra.” Fanoharana no nilazan'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana, mba ho tanteraka ny tenin'ny mpaminany manao hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin'ny nanaovana an'izao tontolo izao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.