Asabotsy 28 jolay 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.
Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izany andro izany, dia tonga i Môizy nitantara tamin'ny vahoaka ny tenin'ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: “Izay teny rehetra voalazan'ny Tompo dia hotanterahinay avokoa.”
Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo: dia izay iposahan'ny andro ka hatrany amin'izay ilentehany. Indro Andriamanitra mamiratra ao Siôna fanaperan-tsoa!
Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona. Ny fahamarinany ambaran'ny lanitra. Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara!
Ny saotra atao fanatitra ho an'Andriamanitra; ny voadinao, tovina ho an'ny Avo indrindra. Dia antsoy Aho amin'ny andro fahoriana, fa hanafaka sy hampipetraka amin'ny fanasana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 13, 24-30Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin'ny vahoaka koa, nanao hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny lehilahy izay namafy voa tsara tamin'ny taniny; fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan'ahidratsy tamin'ny vary, dia lasa. Nony naniry ny vary, ka niteraka, dia nitranga koa ny ahi-dratsy. Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe: “Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin'ny taninao, ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?” “Ny fahavaloko no nanao izany”, hoy ny navaliny. “Tianao va ny handehananay hiava azy?” hoy ireo mpanompony taminy. “Tsia, hoy izy, fandrao hongotanareo mbamin'ny vary, raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo. Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin'ny fijinjana; fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia holazaiko amin'ny mpijinja hoe: Ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo amboarany mba hodorana; ary angony ho any an-tsompitra ny vary.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.