Alatsinainy 23 jolay 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.
Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izany andro izany, dia nilazana ny mpanjakan'i Ejipta fa hoe lasa nandositra ny vahoaka. Tamin'izay dia voaova ny fon'i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin'ny vahoaka fa hoy izy ireo: “Naninona itý isika no nandefa an'i Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?” Dia nasain'i Faraôna nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany. Ny nentiny dia kalesy voafantina eninjato sy ny kalesy rehetra tao Ejipta, samy nisy mpifehy avy. Nohamafisin'ny Tompo ny fon'i Faraôna, mpanjakan'i Ejipta, ka nanenjika ny zanak'i Israely i Faraôna, ary tamin'ny tanana voasandratra no nivoahan'ny zanak'i Israely. Koa nanenjika azy ny Ejipsianina ary nahatratra azy teo akaikin'ny ranomasina izay nitobiany; nahatratra azy teo akaikin'i Fihahirôta, tandrifin'i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin'i Faraôna sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin'ny tafiny rehetra.
Hihira ho an'ny Tompo aho fa efa naneho ny voninahiny Izy. Nariany any an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Ny Tompo no heriko sy fototry ny tononkirako, Izy no namonjy ahy. Izy no Andriamanitro ka hankalazaiko, sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
Mpiady mahery ny Tompo. Mahefa ny zava-drehetra ny Anarany. Ny kalesy aman-tafik'i Faraôna navariny an-dranomasina; ny kapiteny voafantina natelin'ny ranomasina Mena.
Natelin'ny rano ireny; nilentika any amin'ny farany ambany izy ireo. Tompo ô, nigagàna noho ny heriny ny tananao havanana, Tompo ô, nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 12, 38-42Tamin'izany andro izany, ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an'i Jesoa nanao hoe: “Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay.” Fa namaly Izy ka nanao hoe: “Mangata-pamantarana itý taranaka ratsy sy mpijangajanga itý fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an'i Jônasa mpaminany izy; fa tahaka ny nitoeran'i Jônasa hateloan'andro sy hateloan'alina tany an-kibon'ny hazandrano lehibe no hitoeran'ny Zanak'Olona hateloan'andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany koa. Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian'i Jônasa teny; nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto. Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin'ny fara vazan-tany izy ka nankaty hihaino ny fahendren'i Salômôna, nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.