Talata 17 jolay 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.
Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan'ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin'ny anarana entiny sy hifikitra amin'izay tena maha-kristianina azy.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Eksaody
Tamin'izany andro izany, nisy lehilahy anankiray, fokon'i Levi, lasa naka ho vadiny ny zanakavavin'i Levi anankiray. Ary tonga bevohoka ravehivavy, dia tera-dahy. Ary hitany fa tsara tarehy itý zaza, ka dia nafeniny telo volana. Nony efa tsy azony nafenina intsony, dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron'ny ony. Ary ny anabavin'ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny mba hahita izay hihatra aminy. Dia nidina handro teo amin'ny ony ny zanakavavin'i Faraôna, ka nitsangantsangana teny amoron'ny ony ny zazavavy namany. Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata, dia nasainy nalain'ilay ankizivaviny. Nosokafany itý izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany, dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe: “Zanaky ny Hebrio itony!” Tamin'izay kosa ny anabavin'itý zaza dia niteny tamin'ny zanakavavin'i Faraôna nanao hoe: “Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin'ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io?” Ary hoy itý zanakavavin'i Faraôna: “Mandehàna.” Dia lasa razazavavy naka ny renin'ny zaza. Ary hoy ny zanakavavin'i Faraôna taminy: “Ento itý zaza itý ka tezao ho ahy, fa homeko anao ny karamanao.” Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.
Revon'ny fotaky ny hantsana aho: tsy mahita hifaharana; tonga amin'ny lalina indrindra: safotry ny onja.
Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo! Iantrao aho, ry Andriamanitra; valio noho ny haben'ny hatsaram-ponao, sy araka ny fahamarinan'ny vonjinao.
Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa dia harovan'ny Vonjinao, ry Andriamanitra: ka hidera amin-kira ny Anaran'Andriamanitra, ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an'Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra; ny babo tsy hainy hamavoina.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 11, 20-24Tamin'izany andro izany, i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro; satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe: “Loza ho anao, ry Kôrôzaina, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin'ny akanjo malailay sy tamin'ny lavenona izy. Koa lazaiko aminareo, fa amin'ny andron'ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin'i Tira sy i Sidôna noho ny hatao aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin'ny afobe ianao, fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy. Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin'i Sôdôma amin'ny andron'ny fitsarana noho ny hatao aminao.”
Fankalazana ny Eokaristia
Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.
Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin'ny tempolinao, ry Tompon'ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.
Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.