Alakamisy 05 jolay 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana.
Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin'ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin'ny fahazavan'ny fahamarinana.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'izany andro izany, nizaha toetra an'i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: “Ry Abrahama ô!” Ary hoy izy: “Intý aho.” Dia hoy Andriamanitra: “Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin'ny tany Môrià, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin'ny anankiray amin'ny tendrombohitra hatoroko anao.” Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin'ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin'ny sorona dorana, dia niainga nankany amin'ny tany efa nolazain'Andriamanitra azy.
Izaho tia ny Tompo, noho Izy mandre ny feoko mihanta: itongilanany sofina aho amin'ny andro iantsoako Azy!
Efa voagejan'ny rohin'ny fahafatesana aho, efa niantontàn'ny haraton'ny Seoly, tojo fahoriana sy ahiahy, ka niantso ny Anaran'ny Tompo.
Ny Tompo antra sy marina; ny Andriamanitray mahay mangoraka; ny Tompo Mpiaro ny olon-tsotra: osa aho ka novonjeny.
Eny, Ianao no manafaka ny aiko amin'ny fahafatesana, ny masoko amin'ny tomany, ny tongotro amin'izay manafintohina!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 9, 1-8Tamin'izany andro izany, niondrana tamin'ny sambo kely i Jesoa, dia nita ka tonga tao an-tanànany. Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy nandry tamin'ny fandriany nentin'ny olona teo aminy. Nony nahita ny finoan'ireo i Jesoa, dia hoy Izy tamin'ilay malemy: “Matokia anaka, fa voavela ny helokao.” Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: “Miteny ratsy an'Andriamanitra ilay io.” Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: “Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Inona no moramora kokoa, ny manao hoe: 'Voavela ny helokao', sa ny manao hoe: 'Mitsangàna, ka mandehana?' Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak'Olona manam-pahefana etý an-tany hamela heloka”, dia hoy Izy tamin'ilay malemy: “Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.” Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony. Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an'Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin'ireto fanatitra masina ireto.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.