Alarobia 27 jona 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Ny Tompo no herin'ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.
Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin'ny fitiavana Anao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Jenezy
Tamin'izany andro izany, tonga tamin'i Abrahama tamin'ny fahitana ny tenin'ny Tompo nanao hoe: “Aza matahotra, ry Abrahama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.” Fa hoy ny navalin'i Abrahama: “Ry Tompo Andriamanitra ô, inona no omenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezera avy any Damasy.” Nanampy teny ihany i Abrahama: “Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin'ny fianakaviako no ho mpandova ahy.”
Derao ny Tompo! Antsao ny Anarany! Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony! Hirao Izy! Antsao! Vetsoy ny asany mahagaga.
Ireharehao ny Anarany Masina! Miravoa ny fon'ny mpitady ny Tompo! Katsaho ny Tompo sy ny Heriny! Tadiavo lalandava ny Tavany!
Ry taranak'i Abrahama mpanompony, ry zanak'i Jakôba, ianareo voafidiny! Izy no Tompo Andriamanitra: manerana ny tany tontolo ny Fitsaràny.
Tsaroany mandrakizay ny Fanekeny, dia ny teny napetrany ho an'ny taranaka arivo: ilay niantohany tamin'i Abrahama, sy nianianany tamin'i Isaaka.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 7, 15-20Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin'ny mpianany hoe: “Tandremo ny mpaminany sandoka izay manatona anareo manao fitafian'ny ondry, nefa ao anatiny amboadia mitoha; ny voany no hahafantaranareo azy. Moa mioty voaloboka amin'ny tsilo va ny olona, na voan'aviavy amin'ny hery? Toy izany, ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy. Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara. Ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara hokapaina ka hatsipy ao anaty afo: ka dia ny voany no hahafantaranareo azy.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.
Any aminao avokoa ny mason'ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.
Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin'i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.