Talata 19 jona 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.
Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan'izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin'ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, mampandre anareo izahay, fa izao no fahasoavan'Andriamanitra nomena ny Eglizy any Masedônia. Na dia lehibe aza ny fahoriana nizahan-toetra azy, dia feno hafaliana izy ireo; ary na dia lalina aza ny fahantrana nahazo azy, dia nahafoy harena be tamin-katsaram-po izy. Vavolombelona aho fa an-tsitra-po tokoa no nahafoizany araka izay zakany, eny mihoatra noho izay zakany aza, fa niangavy mafy taminay izy mba hanana anjara amin'izany fanampiana ny olo-masina izany. Koa sady nahatò ny fanantenanay izy no nitolo-tena tamin'ny Tompo aloha, vao taminay koa, noho ny fahasoavan'Andriamanitra. Izany no niangavianay an'i Tito mba hanatanteraka izany fahasoavana izany atý aminareo, noho izy efa hanomboka izany rahateo. Aoka ho araka ny fahambonianareo amin'ny zavatra rehetra, dia amin'ny finoana, amin'ny teny, amin'ny fahalalana, amin'ny fahazotoana na amin'inona na amin'inona, ary amin'ny fitiavana anay, no ho fahambonianareo koa amin'itý fahasoavam-piantrana itý. Tsy didy omeko anefa izany, fa fanararaotako ny zotom-pon'ny sasany hoenti-mitsapa ny hamarinan'ny fitiavanareo. Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na dia mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin'ny fahantrany.
Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina,
miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Sambatra izay manana ho Mpitahy ny Andriamanitr'i Jakôba;
sy mametraka ny tokiny amin'ny Andriamanitra Tompony.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 5, 43-48Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo fa voalaza hoe: Ho tia ny namanao ianao ary hankahala ny fahavalonao. Fa Izaho kosa milaza aminareo: Tiavo ny fahavalonareo manaova soa amin'izay mankahala anareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika sy manendrikendrika anareo; mba ho zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin'ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa ho azonareo? Moa va na dia ny poblikanina aza tsy manao izany koa? Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no mihoatra amin'ny ataonareo? Moa na dia ny jentily aza tsy mba manao izany ihany koa? Koa aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin'ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.
Ny zava-tokana angatahiko amin'ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon'ny Tompo amin'ny andro rehetra hiainako.
Manambara ny firaisan'ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin'ny Eglizinao.