Asabotsy 16 jona 2035

Asabotsy Fahafolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 26, 1-2

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan'ny aiko: zovy no hangovitako?

Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian'ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 2 Kôr. 5, 14-21

Taratasy faharoan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Ilay tsy nahalala ota dia nataony ota ho antsika. »

Ry kristianina havana, teren'ny fitiavan'i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an'ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty ho an'ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an'ny tenany intsony izay velona, fa ho an'izay maty sy nitsangana ho azy ireo. Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay; ary na dia nahalala an'i Kristy araka ny nofo aza izahay, dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny. Noho izany, na iza na iza ao amin'i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. Ary tsy iza no niavian'izany zavatra rehetra izany fa Andriamanitra izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; satria Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan'ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. Koa sady solon'i Kristy ary izahay no irak'Andriamanitra koa, ka tahaka an'Andriamanitra no mananatra, sy toy ny tenan'i Kristy no mihanta aminareo hoe: “Mihavàna re amin'Andriamanitra ianareo! Fa he itý Izy: Ilay tsy nahalala ota dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra aminy isika.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 11-12.
Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin'ny lavaka, manototra hatsaram-po sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsy mba lalandava no fandaharany, na mandrakizay no irehetan'ny fony!
Fa tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany, no haben'ny hatsaram-pony amin'izay matahotra Azy. Tahaka ny ifanalaviran'ny atsinanana sy andrefana, no analavirany amintsika ny hadisoantsika!

Aleloia. Aleloia.
Araikao amin'ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 5, 33-37
« Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin'ny mpianany nanao hoe: “Efa renareo koa fa voalaza tamin'ny Ntaolo hoe: 'Aza mianiana tsy tò, fa efao amin'ny Tompo ny fianiananao.' Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin'ny lanitra, fa seza fiandrianan'Andriamanitra izy; na amin'ny tany, fa fandiavan'ny tongony izy; na amin'i Jerosalema, fa tanànan'ny mpanjaka lehibe izy; na amin'ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ilay Ratsy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Tompo be indrafo ô, topazo maso izahay manompo Anao, dia ho sitrakao ny fanatitray ary hitombo ny fitiavanay.

Kômonio Sal. 17, 3

Ny Tompo no vatolampiko, tany ialofako sy mpanafaka ahy; Izy no Andriamanitro sy andriko.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ny Sakramentanao manasitrana ny rofy rehetra anie hanafaka anay amin'ny ratsy isan-karazany sy hitarika anay hizotra amin'ny lala-mahitsy.