Alahady 03 jona 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
NY FITIAVANA ENTANIN'NY FINOANA NO MAHA-MPIANATR'I KRISTY
Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.
Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky Deterônômy
Tamin'izany andro izany, dia hoy i Môizy tamin'ny vahoaka Israely: “Ataovy ao amin'ny fonareo sy amin'ny fanahinareo àry izao teny lazaiko aminareo izao. Fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izy, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonareo. Indro aho nametraka tso-drano sy ozona eo anoloanareo anio; tso-drano, raha mankatò ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio, ianareo; ozona, raha tsy manaiky ny didin'ny Tompo Andriamanitrareo ianareo, fa mivily hiala amin'ny lalàna izay andidiako anareo anio, ka lasa manaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo“.
Ianao, ry Tompo, no ifefeko; tsy mba ho azon-kenatra aho. Hanavotra ahy Ianao fa marina, hanongilan-tsofina, hanafaka faingana.
Aoka Ianao ho vatolampy fierena, ho trano fiarovana mahavonjy, ho haram-bato sy toera-mafy ho ahy; ny Anaranao itantanana ahy!
Endrika mitsiky aseho ahy, vonjeo aho noho ny fitiavanao! Mahereza! Ny fo hatanjaho, ianareo izay matoky ny Tompo!
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Rôma
Ry kristianina havana, tsy amin'ny Lalàna, dia naseho ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, izay nambaran'ny Lalàna sy ny Mpaminany, fahamarinana avy amin'Andriamanitra, noho ny finoana an'i Jesoa Kristy, ho an'ny mpino rehetra; satria tsy misy avaka, fa samy efa nanota ihany izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitr'Andriamanitra, fa hamarininy maimaim-poana amin'ny fahasoavany noho ny fanavotana, izay ao amin'i Kristy Jesoa. Fa Izy no natsangan'Andriamanitra ampahibemaso ho sorom-pifonana amin'ny Rany noho ny finoana, satria miaiky marina isika fa ny finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny Lalàna.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 7, 21-27Tamin'izany andro izany i Jesoa nanao tamin'ny mpianany hoe: Tsy izay rehetra manao amiko hoe: “Tompo, Tompo”, no hiditra amin'ny Fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny Fanjakan'ny lanitra. Amin'izany andro izany, maro no hanao amiko hoe: “Tompo, Tompo, moa tsy naminany tamin'ny Anaranao va izahay, ary moa tsy nandroaka demony tamin'ny Anaranao va izahay, moa tsy efa nanao fahagagana tamin'ny Anaranao va izahay?” Ary amin'izany dia holazaiko miharihary aminy hoe: “Tsy fantatro akory ianareo na oviana na oviana; mialà amiko ianareo mpanao ratsy.” Koa amin'izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hoharina amin'ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy; ary latsaka ny ranon'orana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin'ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin'ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany.
Ry kristianina havana, ndrao matoky tena loatra isika mpanaraka an'i Kristy sy mitonona ho mpianany; koa miaraha mivavaka hangataka aminy mba tsy hilazany amintsika hoe: “Tsy fantatro akory ianareo”, fa mba hanampiany antsika ho tena mpanatanteraka ny sitra-pon'ny Ray any an-danitra.
Ry Kristy Andriamanitra ô, maminay tokoa Ianao, fa nifidy anay ho mpanara-dia Anao, hahafahanay miantso Anao hoe Tompo; ka mba herezo izahay hikatsaka izay mahafaly Anao koa, ary ho mpanatanteraka izay sitrakao.
Fankalazana ny Eokaristia
Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin'ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.
Enga anie, ry Tompo, hotarihin'ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin'ny Vatana aman-dRan'ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin'ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin'ny Fanjakan'ny lanitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.