Alakamisy 24 mey 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin'ny teninay na amin'ny asanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Siraka
Aza miankina amin'ny harenao, ary aza manao hoe: “Manan-karena ampy aho!” Aza manaraka ny fitsiriritanao sy ny herinao, mba hanafa-po ny fanirian'ny fonao ary aza manao hoe: “Zovy moa no Tompoko?” Fa tsy maintsy hosazin'ny Tompo ianao. Aza manao hoe: “Efa nanota, ka inona izao no nanjò ahy?” Fa mahari-po ny Tompo. Aza dia afaka ahiahy ny amin'ny fanonerana, ka manampy ota ny ota. Aza manao hoe: “Be famindram-po Andriamanitra, ka hamela ny heloka marobe.” Fa samy ao aminy ihany ny indrafo sy ny hatezerana; ary mianjera amin'ny mpanota ny fahavinirany. Aza mitaredretra ny hibebaka amin'ny Tompo, ary aza mangataka andro isan'andro izao, fa hipoaka tampoka ny hatezeran'ny Tompo, ka ho levona ianao amin'ny andro hamaliany. Aza miankina amin'izay harena azo tsy an-drariny, fa tsy hahefa na inona na inona ireny amin'ny andro mahory.
Endrey ny hasambaran'ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, tsy mandeha amin'ny lalan'ny mpanota na monina amin'ny fonenan'ny mpaneso.
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy: mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina; izay rehetra ataony mahomby avokoa.
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy: fa mova tsy akofa paohin-drivotra! Fa ny lalan'ny olo-marina, fantatry ny Tompo; ny lalan'ny mpanota kosa, mamery!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 9, 40-49Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Na iza na iza hanome rano eran'ny kapoaka anareo amin'ny anarako, satria an'i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin'ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarinina amin'ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa aleo kilemaina miditra any amin'ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa havarina any amin'ny gehena, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an'ila miditra any amin'ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa havarina any amin'ny gehen'afo tsy azo vonoina, izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay. Raha ny masonao no manafintohina anao esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin'ny fanjakan'Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa havarina any amin'ny gehen'afo, izay tsy mety maty ny olitr'izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. Fa izy rehetra any hosiraina amin'ny afo, toy ny sorona rehetra siraina amin'ny sira. Tsara ny fanasina: fa rahefa lefy izy, inona no hampodianareo ny tsirony? Tano tsara ny sira aminareo, ka mihavàna ianareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.
Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin'izao mistery izao.