Zoma 18 mey 2035

Zoma Fahaenina tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 30, 3-4

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.

Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin'ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 11, 1-9

Boky Jenezy

« Andeha isika hidina ao ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy. »

Tamin'izany andro izany, dia iray fiteny sy iray fanononana ny tany rehetra. Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin'ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo. Dia nifampilaza izy nanao hoe: “Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin'ny afo.” Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 32, 10-11. 12-13. 14-15
Fiv.: Sambatra ny vahoaka nofidin'ny Tompo ho lovany.

Ny Tompo mandrava ny fanampoizan'ny firenena, sy manafoana ny fikasan'ny vahoaka. Ny fanampoizan'ny Tompo maharitra mandrakizay; ny fikasan'ny fony, amin'ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin'Andriamanitra Tompony sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Any an-danitra ny Tompo mitazana: hitany avokoa ny zanak'olombeona.
Any amin'ny toerany onenany Izy mitsinjo ny mponina rehetra amin'ny tany: Izy Ilay namolavola ny fony tsy an-kanavaka, ilay mahafantatra ny asany rehetra.

Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 8, 34-39
« Izay hahafoy ny ainy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. »

Tamin'izany andro izany, nantsoin'i Jesoa ny vahoaka mbamin'ny mpianany ka nilazany hoe: “Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. Fa izay te-hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy. Inona ny soa azon'ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny? Sa inona no azon'ny olona omena ho takalon'ny fanahiny? Izay ho menatra Ahy sy ny teniko amin'itý taranaka mpijangajanga sy mpanota itý, dia ho menatra azy koa ny Zanak'Olona rahefa avy amin'ny voninahitry ny Rainy Izy otronin'ny Anjely masina.” Dia hoy koa Izy: “Lazaiko marina aminareo fa ny sasany aminareo eto dia tsy hanandra-pahafatesana raha tsy efa mahita ny fanjakan'Andriamanitra tonga amin'ny voninahitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an'izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.

Kômonio Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak'i Israely ka voky, nomen'ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.