Alarobia 16 mey 2035

Alarobia Fahaenina tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona tsy ankasa (1)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 30, 3-4

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.

Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin'ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Jen. 8, 6-13. 20-22

Boky Jenezy

« Nijery izy ka hitany fa efa maina ny vohon'ny tany, »

Nony afaka efapolo andro, dia namoha ny varavarankely nataony tamin'ny sambo fiara i Nôe, ka nandefa ny goaika izay lasa nivoaka nefa niverimberina teo, mandra-paharîtra ny rano tambonin'ny tany. Ny voromailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin'ny tany na tsia. Tsy nahita izay hipetrahan'ny faladiany anefa ny voromailala

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 115, 12-13. 14-15. 18-19
Fiv.: Avy manatitra fanati-pisaorana aminao aho, ry Tompo.

Koa inona no havaliko ny Tompo, fa maro dia maro ny soa nataony? Halaiko ny kalisim-pamonjena, hantsoiko ny Anaran'ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady izay nolazaiko, hefaiko anatrehan'ny firenena, tsy zakan'ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan'ny firenena; efaiko ao an-kianjan'ny tranonao, ao Jerosalema tanànanao.

Aleloia. Aleloia.
Izaho no Fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka

Mk. 8, 22-26
« Nametrahany tanana ilay jamba ka nahita mazava tsara ny zavatra rehetra. »

Tamin'izany andro izany, tonga tany Betsaida i Jesoa sy ny mpianany, ary nisy nitondra lehilahy jamba anankiray teo aminy, sy nangataka taminy mba hanendry azy. Dia noraisin'i Jesoa ny tanan'ilay jamba ka nentiny nivoaka ny tanàna izy; nasiany rora ny masony, nametrahany tanana izy, ary nanontaniany raha mahita zavatra. Dia niandrandra ilay jamba ka nanao hoe: “Ny fahitako ny olona mamindra dia sahalahala amin'ny hazo.” Dia nametrahany tanana indray ny masony, ka nasainy nijery izy, izay vao sitrana tsara sy nahita mazava ny zavatra rehetra. Ary nasain'Jesoa nody any an-tranony izy sy nilazany hoe: “Modia any an-tranonao, fa aza miakatra ao an-tanàna na milaza izany amin'ny olona ao an-tanàna.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an'izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.

Kômonio Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak'i Israely ka voky, nomen'ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.