Talata 20 febroary 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Karemy — Herinandro faha-2
Hazavao ny masoko, ndrao renoky ny fahafatesana aho, ndrao ataom-pahavalo hoe resiko izy!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, arovy sy amindrao fo mandrakariva ny Eglizinao; ary raha tsy ny herinao, dia mora lavo izahay olombelona nofo aman-dra: ka enga anie ho ampianao lalandava izahay ho afaka amin'izay mety manembantsembana ny dianay sy hotantananao hahazo ny famonjena.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Mihainoa ny tenin'ny Tompo, ry mpitsaran'i Sôdôma, mitongilàna sofina amin'ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gômôra: “Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian'ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondra tena. Avia, hiara-mifandahatra isika. Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon'ondry. Raha manaiky amin'ny fo mazoto ianareo, dia hihinana ny zava-tsoan'ny taninareo. Fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levon'ny sabatra.”
Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao: na ny sorona dorana izay anoloako lalandava! Ahoako inona izay vantotr'omby ao an-tranonao, na izay osilahy ao am-pahitrao?
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko, sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho? Sa Izaho heverinao ho toa anao? Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao! Izay misorona saotra no hasaiko ka hohetsahiko amin'ny vonjiko.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 23, 1-12Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka sy ny mpianany nanao hoe: “Efa mipetraka eo amin'ny ipetrahan'i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. Fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, dia atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety hanetsika izany na dia amin'ny rantsan-tanany akory aza. Ny mba ho hitan'ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra, ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an'ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin'ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin'ny sinagôga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin'ny olona hoe Raby. Fa ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. Aza mety hatao hoe mpampianatra; fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Antra sy tsara fo Ianao, ry Tompo; ka mba hamasino izahay: diovy ho afaka amin'ny haratsiana eto an-tany ary tantano hatrany hahazo ny zava-tsoa any an-danitra.
Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao: hiantso ny Anaranao, ry Avo indrindra!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie ny sakafo nanasanao anay hampitombo ny aina ifandraisanay aminao ary hampahazo fanampiana lalandava avy aminao be fiantra sy be indrafo.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.