Asabotsy 27 janoary 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin'ny toerany masina.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin'ny Anaran'ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin'ny Fanahy Masina amin'ny taona rehetra mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, ny finoana no santatry ny zavatra antenaina, sy porofon'ny zavatra tsy hita. Nanam-pinoana ny Ntaolo ka izany no nahatsara laza azy. Ny finoana no naneken'i Abrahama ny fiantsoan'Andriamanitra azy, handeha ho any amin'ny tany izay horaisiny ho lova, ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay alehany. Ny finoana no nitoerany tany amin'ny tany nampanantenaina toy ny any an-tany fivahiniana, tranolay no nitoerany; toy izany koa i Isaaka sy i Jakôba izay mpandova izany tany nampanantenaina izany koa; fa nanantena ilay tanàna mafy orina manana an'Andriamanitra ho tompo-marika sy ho mpanao izy. Ny finoana koa no nahazoan'i Sarà hery hanana anaka, na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy, satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena. Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra, sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina no avy amin'ny olona anankiray izay efa toy ny maty. Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, nefa tsy mbola nahazo ny nampanantenaina, fa nahatazana azy lavitra fotsiny, dia niarahaba azy tamin-karavoana sy fiekena hoe: vahiny sy mpivahiny izy no etý an-tany. Manambara mazava izay milaza izany fa mitady tanindrazana honenany izy. Ary raha ny tany nialany no heverina amin'izany dia ho azony atao ny miverina any indray; fa tany tsara lavitra no iriny, dia ny lanitra izany. Ka noho Andriamanitra efa namboatra tanàna ho azy, dia tsy menatra Izy hantsoina hoe: Andriamanitr'izy ireo. Ny finoana no nanoloran'i Abrahama an'i Isaaka ho sorona, raha nozahan-toetra izy. Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana, sy nilazana hoe: Avy amin'i Isaaka no hiavian'ny taranakao; eny, natolony io zanany lahitokana io; satria ninoany fa na dia maty aza izy dia hain'Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.
Fa Izy nanolotra antsika herim-pamonjena avy amin'ny fianakaviana iray, dia ny an'i Davida mpanompo tiany, fa izany tokoa no efa nolazainy. Fa teniny nentin'ny mpaminany dia ireo olo-masina fahagola.
Ny vonjiny hanala amin'ny fahavalo, hanafaka antsika amin'ny mpankahala. Noho Izy nandala ny razantsika dia indro tsaroany ny fanekeny.
Fa teny nomeny an'i Abrahama ny hanafaka antsika amin'ny fahavalo. Amin'izay isika afa-manompo Azy tsy anatin'ny tahotra sy ahiahy, fa entin'ny fo tia sy mahatoky ho eo anatrehany lalandava.
Evanjely Masina rlosoratan'i Md. Marka
Mk. 4, 35-40Tamin'izany andro izany, hariva ny andro, ary i Jesoa niteny tamin'ny mpianany hoe: “Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.” Dia nilaozan'izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin'izao tao an-tsambo kely i Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. Fa i Jesoa kosa natory teo amin'ny sisin'ny sambo kely tambonin'ny ondana, ka nofohazin'izy ireo Izy nilazany hoe: “Ry Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?” Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin'ny ranomasina hoe: “Mangina, mitonia.” Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. Ary hoy Izy tamin'izy ireo: “Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?” Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: “Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.
Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.
Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin'ny fanomezanao.