Talata 16 janoary 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, tsy mba tsy marina Andriamanitra, sanatria! ka hanadino ny asanareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny Anarany, tamin'ny nanampianareo sy mbola anampianareo ny olo-masina. Irinay haneho fahazotoana toy izany koa ianareo tsirairay avy hitana ny fanantenanareo feno sy lavorary hatramin'ny farany, mba tsy hiketraka ianareo, fa hanahaka ireo mandova ny lova nampanantenaina noho ny finoany sy ny faharetany.
Izaho midera ny Tompo amin'ny foko tontolo am-pivoarian'ny olo-marina sy am-piangonambe. Lehibe ny asan'ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo. Manome hanina ny matahotra Azy Izy, fa mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay.
Nandefa fanavotana tamin'ny vahoakany Izy, sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. Masina sy mahatahotra ny Anarany; maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Marka
Mk. 2, 23-28Indray sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary teny am-pandehanana ny mpianany, ka hoy ny Farisianina taminy: “Jereo ange e, nahoana izy ireo no manao ny tsy fanao amin'ny sabata?” Fa hoy Izy taminy: “Moa tsy novakinareo va izay nataon'i Davida raha terin'ny hanoanana izy sy izay nanaraka azy? Fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy tamin'ny andron'i Abiatara lehiben'ny mpisorona, ka nihinana ny mofo alahatra izay tsy misy mahazo mihinana afa-tsy ny mpisorona ihany, sady nomeny mbamin'ny mpanaraka azy koa.” Dia hoy koa Izy taminy: “Ny sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona no ho an'ny sabata. Koa ny Zanak'Olona dia tompon'ny sabata aza.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.
Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.
Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.