Alahady 14 janoary 2035
Fanombohana ny Sorona Masina
I KRISTY NO ZANAK'ANDRIAMANITRA VELONA
Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Izaia Mpaminany
Tamin'izany andro izany, hoy ny Tompo tamiko: “Mpanompoko ianao, ry Israely, izay hataoko reharehako”. Ary ankehitriny miteny ny Tompo, Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba ho mpanompony, hampody an'i Jakôba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely. — Ary mahazo voninahitra eo imason'ny Tompo aho, ary Andriamanitro no heriko. — Hoy Izy: “Mbola zavatra kely foana ny maha-mpanompoko anao, hanangana ny firenen'i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin'i Israely; fa hatsangako ho fahazavan'ny firenena ianao, mba hitaran'ny famonjeko hatramin'ny faran'ny tany.
Niandry ny Tompo aho ka niandry, niondrika Izy, nihaino talaho, hira vao no nataony teo am-bavako, fiderana an'ilay Tompontsika.
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra: ny sofiko manko nosokafanao. Tsy misy ilainao mihitsy izay sorona dorana sy fanonerana; ka hoy aho hoe: Inty aho tamy.
Voasoratra ao amin'ny boky ny momba ahy: ny manao ny sitrakao no mamiko; ny lalànao, ry Tompo, no ato am-poko.
Ny fahamarinanao, ry Tompo, notorîko tamin'ny fiangonana; ny molotro tsy nakomboko: fantatrao tsara izany.
Fiantombohan'ny taratasin'i Md Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinty
Izaho Paoly voaantso ho Apôstôlin'i Jesoa Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy i Sôstena rahalahy, dia mamangy ny Eglizin'Andriamanitra any Kôrinty, dia ireo mpino nohamasinina ao amin'i Jesoa Kristy, olona voaantso sady masina mbamin'izay rehetra miantso ny Anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Joany
Jo. 1, 29-34Tamin'izany andro izany, dia nahita an'i Jesoa nanatona azy i Joany ka nanao hoe: “Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, indro Ilay manala ny fahotan'ny olona. Izy no ilay nantsoiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako, sy efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba hampisehoana Azy amin'i Israely no nahatongavako manao batemy amin'ny rano”. Ary nilaza marina i Joany nanao hoe: “Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromailala, ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho tsy nahalala Azy, fa Izay naniraka ahy hanao batemy amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: 'Izay hitanao hidinan'ny Fanahy Masina'. Ary nahita aho ka milaza marina fa Izy no Zanak'Andriamanitra”.
Ry kristianina havana, miaraha mitalaho amin'ny Tompo mba hahatsiarovantsika ankehitriny fa efa nandalo teto an-tany i Jesoa Kristy, ary mba hanomezany antsika herim-po, hitory ny Evanjely amin'ny manodidina antsika.
Tompo ô, Ianao no nifidy an'i Joany Batista hampiseho Anao amin'ireo mpianany sy hanoro azy, fa Ianao no Mesia; koa enga anie izahay koa ho irakao mahatoky, tsy hikatsaka afa-tsy ny Fanjakanao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao, satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay, dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.
Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin'ny mofo iray, mba hiray fo tanteraka entanin'ny fitiavana.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.