Asabotsy 02 desambra 2034

Asabotsy Fahaefatra amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 84, 9

Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apôk. 22, 1-7

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany

« Tsy hisy alina intsony fa ny Tompo no hanazava azy. »

Nasehon'ny anjelin'ny Tompo ahy Joany, ny onin-dranovelona mangarangarana toy ny kristaly, nivoaka avy ao amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry, namaky ny kianjan'ny tanàna. Teo an-daniny roa amin'ny ony, dia nisy hazon'aina mamoa indroa ambin'ny folo, dia indray mandeha isam-bolana, ary mandravina fanasitranana ny firenena. Ny ozona tsy hisy intsony; ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry ho ao an-tanàna; ary ny mpanompony hanompo Azy, sady hahita ny tavany sy hanana ny anarany eo an-kandriny. Tsy hisy alina intsony; ary tsy hila ny fanazavan'ny jiro na ny fanazavan'ny masoandro izy ireo, fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; sady hanjaka mandrakizay mandrakizay izy rehetra. Ary hoy ilay anjely tamiko: “Marina sy mahatoky ireo teny ireo; ary ny Tompo Andriamanitry ny mpaminany no efa naniraka ny anjeliny, mba hanambara amin'ny mpanompony ny zavatra rehetra tsy maintsy ho tonga faingana. — Indro avy faingana aho. Sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'itý boky itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 94, 1-2. 3-5. 6-7
Fiv.: Avia, ry Jesoa Tompo, avia.

Avia! Andeha isika hihoby ny Tompo, hankalaza ny vatolampy famonjena antsika! Andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra, hankalaza Azy amin'antsa!
Fa Andriamanitra lehibe ny Tompo, Mpanjaka manoatra ny andriamanitra rehetra: fa ny fototry ny tany eo an-tanany, ny tampon'ny vohitra Azy koa. Azy ny ranomasina fa nataony; sy ny tanety, fa voatran'ny tanany!
Midira! Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka! Mandohaliha anoloan'ny Tompo nanao antsika! Fa Izy no Andriamanitsika; isika kosa: vahoaka fiandriny, ondry an-tanany. Enga anie ianareo anio ka mba hahahaino ny feony!

Aleloia. Aleloia.
Miambena ary mivavaha mandrakariva, mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anoloan'ny Zanak'Olona ianareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 21, 34-36
« Miambena mba ho mendrika ho afaka amin'izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tandremo fandrao vesaran'ny fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny fonareo; ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e! Fa ho sahala amin'ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto ambonin'ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika ho afaka amin'izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka hitsangana hiseho eo anatrehan'ny Zanak'Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.