Talata 28 novambra 2034

Talata Fahaefatra amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 84, 9

Hampanantena fiadanana ho an'ny vahoakany ny Tompo, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo mampitodika ny fony any aminy.

Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin'ny hatsaram-ponao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apôk. 14, 14-19

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Tonga ny fotoam-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany. »

Nijery izaho Joany, ka nahita rahona fotsy, ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin'ny Zanak'Olona; satroboninahitra volamena no teny an-dohany, antsy fijinjana maranitra no teny an-tanany. Ary nisy Anjely iray koa nivoaka avy ao amin'ny tempoly, niantso tamin'ny feo mahery, ka nanao tamin'ilay nipetraka tambonin'ny rahona hoe: “Alefaso ny antsy fijinjanao, ka mijinjà, fa tonga ny fotoam-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.” Dia nalefan'ilay nipetraka tambonin'ny rahona teny amin'ny tany ny antsy fijinjàny ka voajinja ny tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 95, 10. 11-12. 13
Fiv.: Tamy ny Tompo mba hitsara ny tany.

Ilazao ny firenena: Manjaka ny Tompo! Izao tontolo izao mafy orina, tsy hihontsona! ny vahoaka tsarainy araka ny hitsiny!
Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany! hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy, hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy, hanakora avokoa ny hazo any an'ala.
Mba hitsena ny Tompo: fa tamy Izy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Aleloia. Aleloia.
Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin'ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak'Olona.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 21, 5-11
« Tsy havela hisy vato mifanongoa. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe: “Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.” Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: “Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?” Ka hoy i Jesoa hoe: “Tandremo sao ho voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: 'Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro', fa aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin'izay akory ny farany.” Dia hoy koa Izy tamin'izy ireo: “Hisy firenena hitsangana hiady amin'ny firenena, sy fanjakana hiady amin'ny fanjakana, hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin'ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin'ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.