Alahady 26 novambra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Fankalazana manetriketrika an'i
I JESOA KRISTY MPANJAKAN'IZAO TONTOLO IZAO
I KRISTY MPANJAKA HAMPIRAY SY HAMPANDRY FAHALEMANA NY FIRENENA REHETRA
Mendrika homena ny fahefana sy ny hasina fanome an'Andriamanitra ilay Zanak'ondry novonoina; Azy ny fahendrena sy ny hery omban-kaja. Ho Azy mandrakizay antaranoana anie ny voninahitra sy ny fanjakana.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sitrakao ny hivondronan'ny zavatra rehetra ao amin'ny Zanakao malalanao Mpanjakan'izao tontolo izao; koa mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie ny voaary rehetra afaka amin'ny fanandevozan'ny fahotana tsy hitsahatra ny hanompo Anao sy hankalaza Anao Avo indrindra.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Boky faharoan'i Samoela
Tamin'izany andro izany, dia tonga tao amin'i Davida tany Hebrôna ny fokon'i Israely rehetra ka nanao hoe: “Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay. Hatramin'ny nanjakan'i Saola mpanjaka taminay fahiny aza, dia tsy iza fa ianao no nitondra an'i Israely nivoaka sy niditra. Ary ny Tompo nilaza taminao nanao hoe: 'Ianao no hamahana an'i Israely oloko, ianao no ho andrian'i Israely'”, Ary samy tonga tany amin'ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon'i Israely, ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin'izy ireo tany, teo anatrehan'ny Tompo, i Davida mpanjaka; ary nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'i Israely izy ireo.
Faly aho nilazan'ireo vahoaka hoe: «Ndao ho any an-Tranon'ny Tompo!» Indro ny tongotray, ry Jerosalema, mijadona eto am-bavahadinao.
I Jerosalema tanàna tsara rafitra, mirindra tsy manan-tsahala, natao mba hiakaran'ireo foko, dia ny fokon'i Israely.
Fa didy ho an'i Israely ny mankao mba hidera ny Anaran'ny Tompo. Ao no toerana ijoroan'ny fahefana, iorenan'ny fianakavian'i Davida.
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôlôsy
Ry kristianina havana, isaoranay ny Ray, izay nahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olomasina any amin'ny mazava, tamin'Izy nanafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina, ka namindra antsika ho amin'ny Fanjakan'ny Zanany malalany, dia Izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika. Izy no Endrik'Ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan'izao voaary rehetra izao: tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fifehezana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan'ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. Izy no Lohan'ny tena, izany hoe ny Eglizy; Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin'ny maty, mba ho Loha amin'ny zavatra rehetra Izy; satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran'ny hafenoana rehetra; ary tamin'ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin'ny Rany teo amin'ny Hazofijaliana, dia tamin'ny Tenany, na ny ety an-tany, na ny any an-danitra.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 23, 35-43Tamin'izany andro izany, nony voafantsika teo amin'ny Hazofijaliana i Jesoa, dia nijanona nijery teo ny vahoaka, ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe: “Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, ilay voafidy”. Ny miaramila koa naneso Azy, ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy, ary nanao hoe: “Raha Ianao no Mpanjakan'ny Jody, vonjeo ny Tenanao”. Teo ambonin'ny lohany koa dia nisy soratra tamin'ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe: “Ity no Mpanjakan'ny Jody”. Ary ny anankiray tamin'ireo mpangalatra izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe: “Raha Ianao no i Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay”. Fa nanarin'ilay anankiray izy, nataony hoe: “Ialahy koa ve tsy matahotra an'Andriamanitra, saingy hoe samy voaheloka ho faty izao? Ny antsika dia rariny izao, satria mandray ny valin'ny ratsy nataontsika isika; fa ny Azy kosa tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy”. Dia hoy izy tamin'i Jesoa: “Tompoko, tsarovy aho, rehefa mby any amin'ny fanjakanao Ianao”. Ka hoy ny navalin'i Jesoa azy: “Lazaiko marina aminao fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.
Ry kristianina havana, amin'izao fankalazana an'i Kristy Mpanjaka Tompon'ny tany aman-danitra amin'ny fahefany sy ny fitiavany, amin'ny fahafatesany sy ny fitsanganany izao, dia akambano ny vavaka ataontsika: hangatahana amin'Andriamanitra, mba hidodododo hankeo aminy izao tontolo izao, hanovo ny tena fiainana ao aminy.
Tompo ô, tsy mitovy amin'ny fanjakan'ny olombelona ny Fanjakanao, fa fitiavana tsy manery ny fo no tianao hanjakana; koa aza avela hizahozaho na hanjakazaka izahay, mba ho tena mpanorina Fanjakana ho Anao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mangataka an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, mba raiso izao Sorona fampihavanana ny taranak'olombelona izao, ka enga anie, ny Tenan'ny Zanakao no hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.
Hipetraka hanjaka mandrakizay ny Tompo. Hitsimbina sy hampiadana ny vahoakany.
Tompo ô, mihanta aminao izahay fa nahazo sakafo mahavelona mandrakizay sady tretrika mankatò ny didin'i Kristy Mpanjakan'izao tontolo izao; koa enga anie ho mendrika hiara-belona aminy mandrakizay any amin'ny Fanjakan'ny lanitra.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.