Alarobia 22 novambra 2034

Alarobia Fahatelo amby telopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Jer. 29, 11. 12. 14

Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin'ny tany rehetra ny babo aminareo.

Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian'ny soa rehetra izahay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Apôk. 4, 1-11

Boky Fanambarana nosoratan'i Md. Joany Apôstôly

« Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy. »

Izaho, Joany, nahita varavarana nivoha teny an-danitra; ary ilay feo voalohany efa reko, toy ny an'ny trômpetra, dia niteny tamiko hoe: “Miakara atý, fa hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy any aoriana any.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6.
Fiv.: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra.

Derao Andriamanitra any an-toerany masina! Derao Izy any amin'ny habakabany mahery! Derao Izy noho ny fahefany tsy toha! Derao Izy noho ny halehibeny diso hoatra!
Derao Izy amim-peon'anjomara! Derao Izy amim-baliha sy lokanga! Derao Izy amin'amponga sy dihy! Derao Izy amin'ny jejy sy sodina!
Derao Izy amin-kipantso-mikarantsana! Derao Izy amin-kipantsom-pamindrana! Ny manana aina rehetra aoka hidera ny Tompo!

Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin'Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin'olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin'Andriamanitra.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 19, 11-28
« Nahoana no tsy napetrakao tany amin'ny banky ny volako. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý, fa efa akaiky an'i Jerosalema Izy, ary nataon'ny olona fa ny fanjakan'Andriamanitra hiseho miaraka amin'izay, ka hoy Izy: “Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina. Dia niantso folo lahy tamin'ny mpanompony izy ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe: 'Ampitomboy ireny mandrapiveriko.' Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: 'Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.'

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin'ny fiainana mandrakizay.

Kômonio Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan'Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin'ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain'ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.