Talata 31 oktobra 2034

Talata Fahatelopolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 105, 3-4

Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny tavany.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Efez. 5, 21-33

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy

« Lehibe io zava-miafina io fa mankamin'i Kristy sy ny Eglizy. »

Ry kristianina havana, mahaiza mifanoa amim-pahatahorana an'i Kristy. Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, toy ny anekena ny Tompo; fa ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka an'i Kristy no lohan'ny Eglizy izay vatany sy manana Azy ho Mpamonjy. Koa tahaka ny aneken'ny Eglizy an'i Kristy no tsy maintsy aneken'ny vehivavy ny vadiny koa amin'ny zavatra rehetra. Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, toy ny nitiavan'i Kristy ny Eglizy, sy hahafoizany tena ho azy, mba hanamasina azy rahefa nodioviny tamin'ny fanasana amin'ny rano sy ny teny izy, ka hanolotra azy ho an'ny tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa masina tsy manan-tsiny amam-pondro. Toy izany koa no tsy maintsy hitiavan'ny lehilahy ny vadiny, izay tenany ihany; koa izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 127, 1-2. 3. 4-5
Fiv.: Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin'ny Lalany! Mahazo voka-tsoa amin'ny asanao ianao: ka sambatra sy tretrika!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao! Ny zanakao solofon'ôliva manodidina ny latabatrao!
Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo! Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo hahitanao ny hasambaran'i Jerosalema amin'ny andro rehetra hiainanao.

Aleloia. Aleloia.
Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 13, 18-21
« Ny voan-tsinapy nambolena tonga hazo. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: “Ny inona no tahaka ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny inona no hanoharako azy? Tahaka ny voan-tsinapy izy izay nalain'ny olona ka namboleny tamin'ny tanimboliny, dia nitombo ka tonga hazo, ary nitoeran'ny voromanidina ny rantsany.” Dia hoy indray Izy: “Inona no hanoharako ny fanjakan'Andriamanitra? Tahaka ny lalivay izay nalain'ny vehivavy anankiray izy, ka nampifangaroiny tamin'ny lafarinina intelon'ny famarana mba hampibohaka ny koban-dafarinina rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin'ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Kômonio Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin'ny Anaranao Andriamanitray.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran'ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin'ny endri-javatra ankehitriny anie mba tena ho azonay any ankoatra.