Zoma 27 oktobra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy
Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin'ny Tompo mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo, amin'ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin'ny fahari-po, amin'ny fifandeferana, amim-pitiavana; mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban'ny fihavanana; fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray; tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray, ary Andriamanitra iray, izay Rain'izy rehetra, ambonin'izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin'izy rehetra.
Ny tany, ny hareny, Azy Tompo avokoa. Dia izao rehetra izao ary izay monina ao. Naoriny ambonin'ny rano izy ireny. Napetrany tsara eo ambonin'ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina. Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy, sy izay tsy mianiana tsy tò amin'ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano, ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin'ireo izay nizaha ny endrik'ilay Andriamanitra Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 12, 54-59Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe: 'Ho avy ny orana', ka avy tokoa izy; ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: 'Hafana ny andro', ka tonga tokoa izany. Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao? Nahoana koa no tsy amantaran'ny tenanareo izay marina? Fa raha miara-mandeha amin'izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin'ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin'ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Vavaka Fanolorana
Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.