Alatsinainy 23 oktobra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
ALATSINANY
Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin'ny fonay tokoa.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy
Ry kristianina havana, fahiny dia matin'ny fahadisoana amam-pahotanareo ianareo, ka izany no nizoranareo nanaraka ny satan'izao tontolo izao, sy ny lehiben'izay fahefana eny amin'ny rivotra, dia izay fanahy miasa ankehitriny ao amin'ny zanaky ny tsy finoana. Ary tsy misy hivoasana amin'izany koa ny toetranay rehetra fony izahay nanaraka ny filan'ny nofonay, sy niliba araka ny danin'ny kibo aman-tsaim-pantatray, ka dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa izahay, araka ny toetranay tamin'izany. Fa Andriamanitra izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavana izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin'ny fahotana aza isika, no nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo); niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin'i Jesoa Kristy any an-danitra, mba hanehoany amin'ny andro ho avy ny haben'ny harem-pahasoavany, amin'ny hatsaram-pony amintsika ao amin'i Kristy Jesoa. Satria ny fahasoavana no namonjena anareo noho ny finoana, ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra, tsy avy amin'ny asa, fandrao misy mirehareha. Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin'i Kristy Jesoa, mba ho amin'ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo. Ka fo falifaly anompoana ny Tompo. Tongava eo aminy mihira miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra. Fa Azy isika satria noarìny. Sy tena vahoakany ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra. Ny ao an-kianjany idiro amin-dera. Derao Izy Tompo; ny anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo. Fa mandrakizay ny fitiavany antsika. Amin'ny taona rehetra ny fahamarinany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 12, 13-21Tamin'izany andro izany, nisy anankiray tao amin'ny vahoaka nanao tamin'i Jesoa hoe: “Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?” Ary hoy Izy tamin'ny olona: “Tandremo tsara sao azon'ny fahihirana ianareo, fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'izay ananany.” Dia nanao fanoharana tamin'izy ireo Izy ka nanao hoe: “Nanan-tany nahavokatra be itý lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: 'Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho itý? Izao lahy no ndeha hataoko, hoy izy: horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibebe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rahefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin'ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin'ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanam-be.' Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: 'Ry adala, anio alina ihany dia halaina aminao ny fanahinao, ka ho an'iza àry izay novorinao?' Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an'ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin'Andriamanitra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Vavaka Fanolorana
Indro ny mason'ny Tompo eo amin'izay matahotra Azy sy amin'izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin'ny fahafatesana sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.
Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin'ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.