Zoma 20 oktobra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Raha mitsikera heloka Ianao, ry Tompo, iza no hahatanty? Fa ao aminao ny famelan-keloka, ry Andriamanitr'i Israely!
Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hitari-dalana anay mandrakariva ny fahasoavanao sy hanampy anay harisika lalandava hanao ny tsara.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy
Ry kristianina havana, tao amin'i Kristy no nandraisantsika ny lovantsika, rahefa voatendry rahateo isika, araka ny fikasan'Ilay manao ny zavatra rehetra manaraka ny hevitry ny fony, mba ho fankalazana ny voninahiny isika, dia isika izay nanantena an'i Kristy rahateo. Tao aminy ianareo no nino, rahefa nahare ny tenin'ny fahamarinana, ny Evanjelin'ny famonjena anareo, ka nasiana ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina, izay nampanantenaina, sy santatry ny lovantsika, mandrapahatanteraky ny fanavotana an'izay rehetra nofidin'Andriamanitra ho fankalazana ny voninahiny.
Hobio ny Tompo, ry olo-marina: dia Ilay mendrika hoderaina, ry olo-mahitsy! Derao amin-dokanga ny Tompo; antsao amim-baliha tory folo!
Fa mahitsy ny tenin'ny Tompo; ara-drariny ny asany rehetra; ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany; ny hatsaram-pon'ny Tompo manerana ny tany!
Sambatra ny firenena tahin'ny Andriamanitra Tompony, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany! Any an-danitra ny Tompo no mitazana: hitany avokoa ny zanak'olombelona.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 12, 1-7Tamin'izany andro izany, tafangona an'arivony maro ny olona ka efa nila hifanosy mihitsy, dia niteny tamin'ny mpianany i Jesoa nanao hoe: “Tandremo aloha indrindra sao voan'ny lalivain'ny Farisianina ianareo, izany hoe: ny fihatsarambelatsihy. Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra. Koa izay rehetra nolazainareo tao amin'ny maizina dia ho re ao amin'ny mazava, ary izay nobitsihinareo tamin'ny sofina tao an-trano, dia hotorìna eny an-tafon-trano. Ka izao no lazaiko aminareo sakaizako: Aza matahotra izay mahafaty ny nofo, nefa rahefa izany tsy afa-manoatra intsony; fa hany tokony hatahoranareo dia izao: matahora izay manam-pahefana hamarina any amin'ny afobe rahefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, matahora azy. Moa tsy ilavoamena va no vidin'ny fody dimy? Kanefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra amin'ireny na dia iray aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra àry, fa mihoatra lavitra noho ny fody maro ianareo.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin'ny voninahitra any an-danitra.
Ny tremalahy tonga mahantra sy noana: fa izay mitady ny Tompo tsy mba orin-tsoa.
Mihanta sy mitalaho aminao izahay, ry Tompo avo indrindra, fa nofahananao ny Vatanao sy ny Ranao masina izahay, ka ataovy miombona anjara amin'ny maha-Andriamanitra Anao.