Alatsinainy 09 oktobra 2034

Alatsinainy Fahafito amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Est. 13, 9. 10-11

Eo ambany fahefanao avokoa ny zavatra rehetra, ry Tompo, ary tsy misy afaka hanohitra ny sitraponao. Ianao no nahary izao rehetra izao: ny lanitra sy ny tany mbamin'izay rehetra eo amin'ny habakabaka; Ianao no Tompon'izao tontolo izao.

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, lalina ny fitiavanao, mihoatra noho izay rehetra mendrika anay sy angatahinay; koa arotsahy aminay ny andon'ny famindram-ponao: mba afaho izahay amin'izay rehetra mampitebiteby ny fonay ary omeo anay izay tsy sahinay angatahina amin'ny fivavahana.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Gal. 1, 6-12

Taratasin'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Galasia

« Tsy tamin'olombelona no nandraisako ny Evanjely, fa tamin'ny fanambaràn'i Kristy. »

Ry kristianina havana, gaga aho raha dia mivadika faingana toy izany ianareo, ka ilay niantso anareo ho amin'ny fahasoavan'i Jesoa Kristy dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray. Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie, fa ny Evanjelin'i Kristy ihany no tadiavin'ny sasany hovana, mba hampitabataba anareo fotsiny! Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza, ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorìnay taminareo, dia aoka ho voaozona izy. Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny, fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo, dia aoka ho voaozona izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 110, 1-2. 7-8. 9 sy 10d
Fiv.: Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay ny Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin'ny foko tontolo am-pivorian'ny olo-marina sy am-piangonam-be! Lehibe ny Asan'ny Tompo mampisaina izay rehetra tia Azy.
Rariny sy hitsiny ny Asan'ny Tanany; mahatoky avokoa ny lahany: mafy orina mandrakizay alaovalo, vita amim-pahamarinana sy hitsiny.
Nandefa fanavotana tamin'ny vahoakany Izy, sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay. Masina sy mahatahotra ny Anarany. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.

Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin'i Kristy, no manana ny fitiavana an'Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 10, 25-37
« Iza àry no namako? »

Tamin'izany andro izany, nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an'i Jesoa, ka nanao taminy hoe: “Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?” Ary namaly izy ka nanao hoe: “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, izao Sorona masina nasainao atao izao, ka ny mistery ankalazainay hanompoana Anao anie ho sitrakao hanamasina anay sy hanavotra anay.

Kômonio Fitom. 3, 25

Tsara fo ny Tompo ho an'izay miantehitra aminy, ho an'ny fanahy mikatsaka Azy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Andriamanitra Andriananahary, hanetsaka sy hahavoky anay ny Kômonio masina ary hanova anay hitovy amin'Ilay noraisinay, dia Ilay velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.