Alakamisy 05 oktobra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Rariny tokoa izay rehetra nataonao taminay, ry Tompo, satria nanota taminao izahay, ary tsy nanaiky ny didinao; kanefa omeo voninahitra ny Anaranao, ka jereo araka ny halehiben'ny famindram-ponao izahay.
Andriamanitra ô, ny mamela heloka sy mamindra fo no anehoanao indrindra ny fahefanao; koa rotsahy ny fahasoavanao lalandava izahay hiezaka hahazo ny nampanantenainao sy hiombona anjara amin'ny zava-tsoa any an-danitra.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jôba
Hoy i Jôba tamin'ireo nandatsa azy mafy: “Ianareo sakaizako ahay, mamindrà fo, mamindrà fo amiko, fa nasian'ny tanan'Andriamanitra aho itý! Nahoana no dia manenjika ahy, tahaka an'Andriamanitra koa ianareo, ka tsy mety ho boboky ny nofoko? Adray! raha mba mety ho voasoratra koa ny teniko! raha mba mety ho vita an-tsoratra ao anatin'ny boky izy! raha mba fisokirana vy mbamin'ny firaka no isokirana azy amin'ny vatolampy ho mandrakizay! Fantatro fa velona ny mpamaly ra ho ahy, ka hitsangana farany eo ambonin'ny vovoka Izy, ary amin'izay, dia izao taolako mitafy ny hodiny, dia ny nofoko izao, no hahitako an'Andriamanitra. Eny, izaho izao no hahita Azy, ny masoko no hahita Azy, fa tsy olon-kafa. Matim-paniriana izany ny foko ato anatiko.”
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso! Iantrao aho, ka valio! Tadiavo ny tavany! hoy ny foko mantsy Anao.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny tavanao! Aza afenina ahy ny tavanao! Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao! Ry ilay Mpitahy ô! aza manary!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan'ny Tompo any amin'ny tanin'ny velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 10, 1-12Tamin'izany andro izany, dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin'ny tanàna sy ny tany rehetra izay halehany. Ary hoy Izy tamin'izy ireo: “Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin'ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak'ondry eo afovoan'ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. Amin'izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: 'Fiadanana anie ho amin'itý trano itý'; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin'izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin'izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: 'Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.' Fa amin'izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: 'Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin'ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.' Lazaiko aminareo fa amin'izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin'i Sôdôma noho ny ho amin'izany tanàna izany.”
Fankalazana ny Eokaristia
Ry Tompo be indrafo ô, ho sitrakao anie itý tolotra entinay itý sy ho tonga loharano miboiboika hanovozanay ny tso-drano rehetra.
Tsarovy ny teninao tamin'ny mpanomponao, ry Tompo, dia ilay nasainao antenaiko; izany no fiononako amin'ny fahoriako.
Hampitombo ny herim-panahy amam-batanay anie, ry Tompo, itý mistery avy any an-danitra itý; ary miara-mijaly amin'i Kristy izahay manambara ny nahafatesany, ka enga anie hiray lova aminy any amin'ny voninahitra.