Asabotsy 16 septambra 2034

Asabotsy Fahatelo amby roapolo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

SABOTSY

Tononkira fidirana Sal. 118, 137. 124

Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsaranao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao.

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy ireto zanaka nateraky ny fitiavanao, fa mino an'i Kristy izy, ka mba omeo ny fahafahana marina sy ny lova maharitra mandrakizay.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany 1 Kôr. 10, 14-22a

Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto

« Tena iray ihany isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra. »

Ry malala, halaviro ny fanompoan-tsampy. Miteny aminareo toy ny amin'ny olona manan-tsaina aho, ka tsaraonareo izay lazaiko? Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'i Kristy va? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa mofo iray ihany no iombonantsika rehetra. Jereo ange i Israely araka ny nofo e: moa tsy mpiombona amin'ny ôtely va ireo mihinana amin'ny fanatitra atao sorona? Inona ary no lazaiko? Moa mba zavatra ihany va ny hena naterina tamin'ny sampy; na moa mba zavatra koa va ny sampy? Tsia, fa ny zavatra aterin'ny jentily ho fanatitra, dia ataony sorona amin'ny demony, fa tsy amin'Andriamanitra, ka tsy tiako ho mpiombona amin'ny demony ianareo. Tsy azonareo atao ny sady hisotro amin'ny kalisin'ny Tompo no hisotro amin'ny kalisin'ny demony koa; tsy azonareo atao ny sady hihinana amin'ny latabatry ny Tompo no hihinana amin'ny latabatry ny demony koa. Te-hampahasaro-piaro ny Tompo angaha isika?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 115, 12-13. 17-18
Fiv.: Avy manatitra fanati-pisaorana aminao aho, Tompo.

Koa inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony? Halaiko ny kalisim-pamonjena, antsoiko ny Anaran'ny Tompontsika!
Hanatitra sorom-pisaorana aho, hiantsoako amin'ny foko ny Anaranao! Efaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan'ny firenena.

Aleloia. Aleloia.
Velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan'ny fo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka

Lk. 6, 43-49
« Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko; nefa tsy manao izay lazaiko. »

Tamin'izany andro izany, i Jesoa niteny tamin'ny mpianany nanao hoe: “Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy mioty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroitsilo. Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka ny ratsy avy amin'ny rakitra ratsin'ny fony; fa ny be ao am-pony no itenenan'ny vavany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Ry Andriamanitra loharanon'ny fitiavana marina sy ny fiadanana, hahay hanaja Anao avo indrindra anie izahay amin'ireto fanatitra ireto sy hiray fo aman-tsaina, fa miombona anjara amin'izao Sorona izao.

Kômonio Sal. 41, 2-3

Toy ny serfa maniry ranovelona ny fanahiko maniry Anao, ry Andriamanitra! Ny fanahiko mangetaheta an'Andriamanitra, Ilay velona sady mahery!

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nofahananao sy nomenao hery tamin'ny teninao sy ny hanina masina izahay mino Anao, ka ataovy mahazo voka-tsoa avy amin'ny fanomezan'ny Zanakao malalanao mba ho mendrika hiombona anjara lalandava amin'ny fiainany masina.