Asabotsy 09 septambra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, izahay Apôstôly, araka ny fijeriko ny tenanay, dia hoatra ny nasehon'Andriamanitra ho olona faraidiny sy toy ny voaheloka ho faty, natao fizàhan'izao tontolo izao, na anjely, na olombelona. Izahay moa, adala noho ny amin'i Kristy, ianareo kosa hendry ao amin'i Kristy! Izahay osa, fa ianareo no matanjaka; izahay faneso, ianareo kosa fanaja. Mandraka ankehitriny, dia noana izahay, mangetaheta, tsy manan-katafy, fatsahana totohondry, tsy manana antom-ponenana, ary misasatra miasa amin'ny tananay. Ozonina izahay, misaotra; enjehina, mandefitra; endrikendrehina, milefaka; mova tsy izahay iny no fakon'izao tontolo izao, sy faditry ny olona rehetra, mandraka ankehitriny izao. Tsy ny hampahamenatra anareo anefa no nanoratako an'izany, fa ny hananatra anareo, toy ny zanako malalako. Satria na dia ho iray alina aza ny mpampianatra anareo ao amin'i Kristy, dia tsy maro ray ianareo, fa izaho ihany no niteraka anareo tamin'ny Evanjely ao amin'i Kristy.
Marina amin'ny lalany rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin'ny asany rehetra! Ny Tompo eo anilan'izay rehetra miantso Azy: dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.
Tanterahiny izay sitraky ny matahotra Azy; henoiny ny tarainany, vonjeny izy ireo! Ny Tompo miambina izay rehetra tia Azy ny ratsy fanahy kosa, aringany avokoa!
Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo; ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina! Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany: mandrakizay, mandrakizay!
Evanjely Masina nosoratan'Md. Lioka
Lk. 6, 1-5Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin'ny tanany. Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: “Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin'ny Sabata?” Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Tsy novakinareo va izay nataon'i Davida raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?” Sady nampiany hoe: “Ny Zanak'Olona no tompon'ny Sabata.”
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.