Alakamisy 07 septambra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro; Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao!
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Taratasy voalohan'i Md. Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Kôrinto
Ry kristianina havana, aza misy mamita-tena; fa raha misy aminareo manao ny tenany ho hendry amin'izao tontolo izao, dia aoka ho adala izy mba ho hendry. Satria ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo anatrehan'Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe: “Ny hafetsen'ny hendry no hamandrihako azy”; ary koa hoe: “Fantatry ny Tompo ny hevitry ny hendry, ary fantany fa zava-poana izany.” Koa aza misy manao olona ho reharehany, fa anareo ny zavatra rehetra, na i Paoly, na i Apôlô, na i Sefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na ny zavatra ankehitriny na ny zavatra ho avy: anareo avokoa izany rehetra izany; ianareo kosa an'i Kristy, ary i Kristy an'Andriamanitra.
Ny tany, ny hareny: Azy Tompo avokoa; dia izao rehetra izao ary izay monina ao. Naoriny ambonin'ny rano izy ireny, napetrany tsara eo ambonin'ny ony.
Koa zovy no hiakatra hihaona amin'ny Tompo; hanorim-ponenana an-toerany masina? Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy sy izay tsy mianiana tsy tò amin'ny hafa.
Dia izy no hany hotsofina rano; ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy. Fa izy no dimbin'ireo izay nizaha ny endrik'Ilay Andriamanitra Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 5, 1-11Tamin'izany andro izany, raha teo amoron'ny farihin'i Genezareta i Jesoa, dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin'ny sambo kely anankiray izay an'i Simôna ka nangataka taminy mba hihataka kely amin'ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'itý tolotra masina itý, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Tompo ô, akory itý haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao!
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.