Alahady 03 septambra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
IZAY MANETRY TENA NO HASANDRATRA
Iantrao aho, ry Tompo, fa miantso Anao tontolo andro. Ianao, ry Tompo, no mazava fo sy malemy fanahy, be hatsaram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
Ry Andriamanitry ny hery rehetra, Soa indrindra no Anaranao; ka ataovy tia Anao tokoa ny fonay, herezo hazoto hanompo Anao, velomy izay tsara mba anananay ary tsimbino lalandava izay novelominao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Siràka Ekleziatika
Anaka, ataovy amin-kalemem-panahy ny asanao, dia ho tian'ny olona izay ankasitrahin'Andriamanitra ianao. Araka ny fisondrotanao, no aoka hietrenao tena, dia hahita sitraka amin'Andriamanitra ianao; fa lehibe ny fahefan'Andriamanitra, ary ankalazain'ny manetry tena Izy. Tsy lai-panafody ny loza mahazo ny mpiavonavona; fa efa miorina mafy ao aminy ny tsirin'ny fahotana. Ny fon'ny olona manan-tsaina, misaintsaina ny fanoharana; ny mahita sofina mitandrina no fanirian'ny hendry.
Ny olo-marina, eo anatrehan'Andriamanitra, mifaly, miravo, mirobiroby. Mihirà ho an'Andriamanitra, ny Anarany antsao; halalaho ny lalana ho an'Ilay mipetraka ambony rahona.
Andriamanitra ao an-toerany masina no ilay Rain'ny kamboty; ny mpitondratena omeny rariny, ny tokan-tena omeny trano, ny babo voagadra avoakany.
Toy ny orana mirotsaka ny zava-tsoanao: ny lovanao mosarena tonga velombelona; ny ory, niantranao, ry Andriamanitra, ny ondrinao, nanomananao fonenana.
Taratasy ho an'ny kristianina Hebrio
Ry kristianina havana, ianareo raha nanatona an'Andriamanitra dia tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina toy ny tany an-tendrombohitr'i Sinaia: dia izay afo mirehitra sy izay rahona sy haizim-be sy kotrobaratra, ary feon-trômpetra sy feo niteny mafy tsy tantin'ireo zanak'i Israely nandre, ka nangataka tsy handre izany intsony izy ireo. Fa ny nohatoninareo, dia ny tendrombohitr'i Siôna tanànan'Andriamanitra velona, izay Jerosalema any an-danitra, sy ny fivorian'ny Anjely alinalina, ny fiangonan'ny zokinareo izay voasoratra any an-danitra, ny Mpitsara izay Andriamanitry ny olon-drehetra, ny fanahin'ny olo-marina efa amin'ny fanaperana, sy i Jesoa mpanalalana amin'ny fanekena vaovao.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Lioka
Lk. 14, 1. 7-14Indray sabata, i Jesoa niditra hisakafo tao an-tranon'ny loholon'ny Farisianina anankiray. Nony hitan'i Jesoa ny hamaizan'ny olona nasaina naka ny fitoerana voalohany, dia nanao ity fanoharana ity tamin'izy ireo Izy: “Raha asaina amin'ny fampakaram-bady ianao, aza mipetraka amin'ny fitoerana voalohany, fandrao misy olona nasaina ambony toetra noho ianao, ka ho avy izay nanasa anao sy izy, hilaza aminao hoe: 'Omeo an'ity ny fitoeranao', ary amin'izay ho menatra ianao hifindra ary amin'ny fitoerana farany. Fa raha asaina ianao, dia any amin'ny fitoerana farany mipetraka, ka raha tonga izay nanasa anao, dia hilaza aminao hoe: 'Mandrosoa, ry sakaiza, etsy alohaloha kokoa'; amin'izay dia hahazo voninahitra eo imason'izay rehetra hiara-mihinana aminao ianao. Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra”.
Ry kristianina havana, fanetren-tena sy halemem-panahy no tian'i Kristy hifantohan'ny saintsika indrindra anio, ka asondroty ny fontsika hiara-mangataka aminy mba samy hiezaka halemy fanahy sy hanetry tena tahaka Azy isika sy ny olombelona rehetra, ary samy ho vonona hanompo an'Andriamanitra sy ny namana amin-kitsim-po, ka homeny ny fiadanana marina mampangetaheta antsika sy izao tontolo izao.
Tompo ô, ampianaro izahay tsy ho fatra-pitady ny toerana ambony fa hiara-mihosona amin'ny madinika sy ny mahantra, ary tsy hifidy olon-kosoavina sy hampiana, araka ny ohatra nomen'i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, izay velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.
Fankalazana ny Eokaristia
Hirotsaka aminay mandrakariva anie, ry Tompo, ny tso-dranom-pamonjena avy amin'ity tolotra masina ity, ka ho tanteraka ny soa tsy hita maso ambarany.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Tompo ô, akory ity haben'ny hatsaranao izay omaninao ho an'ny matahotra Anao.
Nomenao hery tamin'ny mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, ka mitalaho aminao: enga anie hankahery ny fonay izao sakafo avy aminao be fitiavana izao, ka hamporisika anay hanompo ny namanay noho ny fitiavana Anao.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.