Asabotsy 26 aogositra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay. Todiho ny tavan'i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.
Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an'izay tia Anao; ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao hitiavanay Anao ao amin'ny zavatra rehetra sy ambonin'ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Nentin'ny Anjely ho eo am-bavahady aho, eo amin'ilay vavahady mitodika miantsinanana. Ary tamy avy Atsinanana ny voninahitr'Andriamanitr'i Israely. Ny feony, tahaka ny firohondrohon'ny rano be, ary ny tany namirapiratra azon'ny voninahiny. Ny tarehin-javatra hitako dia tahaka ilay tarehin-javatra hitako no fijery azy, fony aho tonga handrava ny tanàna; sady nanahaka ny tarehin'ilay zavatra hitako teo amoron'ny ony Kôbara ihany koa, no fijery azy, ka nitrosona nihohoka aho. Dia niditra nankao an-trano ny voninahitry ny Tompo, nihazo ny lalana teo amin'ny vavahady mitodika miantsinanana. Tamin'izay, naingain'ny Fanahy aho, nentiny ho eo amin'ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitry ny Tompo ny trano. Reko nisy niteny tamiko avy ao an-trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo akaikiko. Hoy izy tamiko: “Ry zanak'olona, eto no fitoeran'ny seza fiandrianako, fitoerana hametrahako ny faladian-tongotro, honenako eo amin'ny zanak'i Israely mandrakizay.”
Hihaino izay lazain'ny Tompo aho: moa Izy tsy hiteny fiadanana ho an'ny olony, ho an'ny mpivavaka aminy, ho an'ireo manatodika ny fo aminy? Eny, akaiky an'izay matahotra Azy ny Famonjeny ka honina amin'ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana: mitrebona an-tany ny fahamarinana, mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo, ka ny tanintsika manome ny vokany! Ny rariny mizotra eo amin'ny soritry ny diany.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 23, 1-12Tamin'izany andro izany i Jesoa, niteny tamin'ny vahoaka sy ny mpianany hoe: “Efa mipetraka eo amin'ny fipetrahan'i Môizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina; ka ataovy sy araho izay rehetra lazainy aminareo, fa aza maka tahaka ny ataony, satria milaza fotsiny izy fa tsy manao. Fehezin'izy ireo ny enta-mavesatra sarotra entina, ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa izy tsy mety manetsika izany na dia amin'ny rantsan-tanany akory aza. Ny mba ho hitan'ny olona ihany no anaovany ny asany rehetra ka dia filakitera lehibebe kokoa sy somotraviavin-damba lavalava kokoa noho ny an'ny olona no entiny. Ny tiany dia ny voalohan-toerana amin'ny fanasana, ny fipetrahana voalohany amin'ny sinagôga, ny arahabaina eo an-kianja ary ny antsoin'ny olona hoe Raby. Fa ianareo kosa, aza mba mety antsoina hoe Raby fa iray ihany ny Mpampianatra anareo, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. Ary aza miantso olona eto an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia izay any an-danitra. Aza mety atao hoe mpampianatra; fa iray ihany no Mpampianatra anareo, dia i Kristy. Izay lehibe indrindra aminareo dia ho mpanomponareo; fa izay hanandra-tena dia haetry, ary izay hanetry tena dia hasandratra.”
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao avo indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.
Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin'ny Tompo!
Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin'i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy etý an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.