Asabotsy 19 aogositra 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
SABOTSY
Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain'ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian'ireo mila ady aminao.
Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Ezekiela Mpaminany
Tonga tamiko ny Tenin'ny Tompo, nanao hoe: “Ahoana ange no anonontononanareo itý ohabolana itý, ny amin'ny tanin'i Israely, ataonareo hoe: Ny ray no mihinam-boaloboka marikivy, ka ny zanany no madilo nify! Velona Aho, — teny marin'ny Tompo Andriamanitra, — tsy hisy hanaovanareo izany ohabolana izany intsony, eo amin'i Israely. Ahy ny fanahy rehetra, na ny fanahin'ny ray na ny fanahin'ny zanaka, samy Ahy avokoa, ka ny fanahy izay manota, dia izy no ho faty.
Fo madio vaovao no angatahiko sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko, dia tolory fanahy tena mendrika. Ny mpanota hotoroako lalana, aminao no tsy maintsy hiverenany.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra, toy izany ireo sorona dorana; ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotro.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 19, 13-15Tamin'izany andro izany, nisy zazakely maromaro nentina teo amin'i Jesoa, mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy; fa noraran'ny mpianany mafy ireo. Ka hoy i Jesoa taminy: “Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy; fa an'ny tahaka azy ny fanjakan'ny lanitra.” Ary rahefa nametra-tanana tamin'izy ireo Izy, dia nizo-dalana indray.
Fankalazana ny Eokaristia
Mba raiso amin'ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin'ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary ovan'ny herinao ho Sorona famonjena anay.
Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.
Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin'ny tena fahazavana marina izahay.