Alatsinainy 31 jolay 2034
Fanombohana ny Sorona Masina
Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.
Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.
Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra
Bokin'i Jeremia Mpaminany
Izao no nolazain'ny Tompo tamiko: “Mandehàna mividy fehikibo rongony madinika ho anao; ka ataovy amin'ny andilanao fa aza atao anaty rano.” Dia nividy ny fehikibo araka ny tenin'ny Tompo aho, ka nataoko tamin'ny andilako. Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'ny Tompo nanao hoe: “Ento ilay fehikibo novidinao, izay efa eo amin'ny andilanao; ka mitsangàna, mandehàna mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy.” Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron'ny Eofrata izy, araka ny nandidian'ny Tompo ahy.
Nandao ny vatolampy izay niteraka anao ianao ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao. Nahita izany ny Tompo ka tezitra, nohantsin'ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.
Hoy izy: hafeniko azy ny tavako, dia ho hitako izay hiafarany, fa taranaka mpivadibadika izy, zaza tsy manana hitsim-po.
Nampahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin'ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin'izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin'izay firenena adala.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 13, 31-35Tamin'izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana hafa tamin'ny vahoaka nanao hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra dia mitovy amin'ny voatsinapy izay nalain'ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny. Kely indrindra amin'ny voan-javatra rehetra izy; fa rahefa mitombo kosa, dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo; dia avy ny voromanidina mipetraka ao amin'ny rantsany.” Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy hoe: “Ny fanjakan'ny lanitra, dia mitovy amin'ny lalivay, izay nalain'ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin'ny koban-dafarina intelon'ny famarana, mandra-pahazon'ny lalivay azy rehetra.” Fanoharana no nilazan'i Jesoa izany rehetra izany tamin'ny vahoaka, ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin'ny fanoharana, mba ho tanteraka ny tenin'ny mpaminany manao hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana aho, ary hanambara zavatra izay miafina hatramin'ny nanaovana an'izao tontolo izao.
Fankalazana ny Eokaristia
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.