Alatsinainy 24 jolay 2034

Alatsinainy Fahaenina ambin'ny folo tsotra Mandavan-taona
Loko: Maitso Taona ankasa (2)

Fanombohana ny Sorona Masina

Tononkira fidirana Sal. 53, 6-8

Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin'ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan'ny Anaranao.

Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin'ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

Vakinteny voalohany Mikea 6, 1-4. 6-8

Bokin'i Mikea Mpaminany

« Efa nampahalalaina anao, ry olombelona, izay tsara sy izay ilain'ny Tompo aminao. »

Mihainoa àry izay lazain'ny Tompo ianareo: “Mitsangàna ianao ary ataovy vita ny adinao eo anoloan'ny tendrombohitra, ary aoka ny havoana handre ny feonao! Mihainoa ny adin'ny Tompo ianareo, ry tendrombohitra, mbaminareo fanorenan'ny tany tsy azo ovana! Fa manana ady amin'ny vahoakany ny Tompo; ka handahatra manohitra an'i Israely Izy. Inona no nataoko taminao, ry vahoakako, inona no nampalahelovako anao? Valio ny teniko. Fa nitondra anao niakatra avy any amin'ny tany Ejipta Aho, ary nanavotra anao tamin'ny trano nanandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an'i Môizy sy i Aarôna ary i Maria.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Hisaorana anie Andriamanitra !
Salamo fandinihana Salamo 49, 5-6. 8-9. 16bd-17. 21 sy 23.
Fiv.: Izay misorona saotra no hasaiko, ka hohetsahiko amin'ny vonjiko.

Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona! Ny fahamarinany ambaran'ny lanitra. Eny, Andriamanitra no Ilay Mpitsara marina!
Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao: na ny sorona doranao izay anoloako lalandava! Ahoako inona izay vantotr'omby ao an-tranonao, na izay osilahy ao am-pahitrao?
Ahoana ianao no mitanisa ny Didiko, sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra, sy manipy ny teniko any ivoho.
Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho! Sa Izaho heverinao ho toa anao? Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao! Izay misorona saotra no hasaiko: ka hohetsahiko amin'ny vonjiko!

Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina

Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio

Mt. 12, 38-42
« Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin'ny andro fitsarana. »

Tamin'izany andro izany, ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an'i Jesoa nanao hoe: “Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay.” Fa namaly Izy ka nanao hoe: “Mangata-pamantarana itý taranaka ratsy sy mpijangajanga itý fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an'i Jônasa mpaminany izy; fa tahaka ny nitoeran'i Jônasa hateloan'andro sy hateloan'alina tany an-kibon'ny hazandrano lehibe no hitoeran'ny Zanak'Olona hateloan'andro sy hateloan'alina ao anatin'ny tany koa. Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy, satria nibebaka izy ireo nony nitorian'i Jônasa teny; nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto. Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra itý taranaka itý amin'ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa niala avy tany amin'ny fara vazan-tany izy ka nankaty hihaino ny fahendren'i Salômôna, nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
— Dera anie ho Anao, ry Kristy !

Fankalazana ny Eokaristia

Vavaka fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin'ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr'i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Kômonio Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin'ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin'ny fiainam-baovao.